Fanabeazana : Mpianatra miisa 3 000 no ezahina ho tratrarina amin’ny tetikasa Ankizy Mihary
Natomboka tamin'ny fomba ofisialy ny tetikasa "Ankizy Mihary" ho an'ny mpianatra eo anivon'ny sekoly ambaratonga faharoa (CEG). Ankizy mpianatra miisa 3 000 mahery manerana ny Nosy no ho ampisitrahana izany. Tao amin'ny CEG de Référence Amborovy Mahajanga no nanamarihana izany ny faran’ny herinandro teo.
Famoronana asa
Nanamarika izany fotoana izany ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Dr Sahondrarimalala Marie Michelle, sy ny Sekretera mpanantanteraka ny Tetikasa Fihariana notronon'ireo manam-pahefana ao an-toerana sy ny fianakaviam-ben'ny fanabeazana eo anivon'ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena (DREN) Boeny. Tsara ny manamarika fa tanjon’ny tetikasa ny hikatsahan'ireo mpianatra ny famoronana asa toy ny asa tanana "rary rafia", ny fiompiana trondro ao anaty dobo. Natao indrindra izany mba tsy hiantehatra amin'ny fitadiavana asa araky ny mahazatra ireo ankizy fa afaka hamorona. Etsy andaniny moa dia efa mandeha ihany koa amin’izao fotoana izao ny ivon-toeram-piofanana ho an'ny manana fahasembanana sy ny vehivavy izay misehatra amin'ny fanamboarana aron'akanjo. Nitsidika izany ihany koa ny Minisitra. Marihina fa samy fiaraha-miasa amin’ny tetikasa Fihariana avokoa izany. Ireto mpanjaitra ireto izay niandraikitra ny fanamboarana ireo aron’akanjo ampiasan’ny mpianatra eny anivon’ny Sekoly Fanabeazana fototra amin’izao.
Hizara roa ny CEG
Ato anatin’ity tetikasa ity dia tsara ny manamarika fa hizara roa mazava tsara manomboka izao ny sekoly ambaratonga faharoa. Nanamafy ramatoa Minisitra nandritra ny lahateniny fa "lalam-pianarana roa no hita ato amin'ny sekoly ambaratonga faharoa manomboka izao ka tsy hasiana zaza mirenireny intsony fa hampidirina an-tsekoly avokoa izy ireny ka hampianarina ny asan-tanana izay mifanaraka amin'ny faritra misy azy". Ao aorian’izany dia afaka hampidi-bola ireo tanora ireo rehefa mahavita ny fianarana izay nosafidiany avy.