• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rovan'I Madagasikara
Image
Vaovao

Fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny herisetra : Mirehitra jiro volomboasary ny Lapa Manjakamiadana

25/11/2024 12:08 © Moov.Mg

Nirehitra jiro miloko volomboasary ny Lapa Manjakamiadana eny amin’ny Rovan’i Madagasikara, omaly alahady 24 novambra alina, ho fiaraha-mientana amin’ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy. Manomboka androany 25 novambra 2024 tokoa mantsy ilay antsoina hoe : « 16 jours d’activisme », 16 andro atokana isan-taona iadiana amin’ny herisetra.

Karazana herisetra 4

Manomboka androany 25 novambra, izay andro eran-tany ho famongorana ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy, ka hitohy hatramin'ny 10 desambra, andro eran-tany ho an'ny Zon'olombelona, ny 16 andro iadiana amin'ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy na mahavavy (VBG). Napetraka ity hetsika ity, satria mbola marobe ny olona, indrindra ny vehivavy, no miaina ireo karazana herisetra 4 :
-Ny herisetra ara-tsaina toy ny ompa, ny fandatsana, ny ozona, ny fanapempona…
-Ny herisetra ara-nofo toy ny fanolanana, ny fanerena hiray ara-nofo ao anaty fandrahonana na fanambazana, ny fanerena hivaro-tena…
-Ny herisetra ara-bola toy tsy fanomezana karama hiaraha-mivelona ao an-tokantrano, ny fitsoahan’adidy, ny tsy famelana ny vehivavy hiasa…
-Ny herisetra ara-batana toy ny vono sy daroka isan-karazany…

Antontan’isa mavesatra

Araka ny antontan’isa avy amin’ny fanadihadiana fahadimy momba ny fitombon'ny mponina sy ny fahasalamana (EDSMD-V), dia efa tratran’ny herisetra ara-batana, na ara-tsaina avokoa ny 35% amin’ny vehivavy malagasy, nanomboka teo amin’ny faha-15 taonany. Ny 39% amin’ny vehivavy eto Madagasikara ihany koa no nampanambadiana talohan’ny faha-15 taonany, ary ny 12% dia talohan’ny faha-15 taonany, araka ny fanadihadiana MICS2018. Mavesatra ireo santionan’antontan’isa ireo, izay ahitana taratra ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy eto Madagasikara.

Mandritra ny 16 andro, dia hetsika maro no hotanterahina eto Madagasikara sy maneran-tany, ho fanentanana ny rehetra hiady amin’ny endrika herisetra rehetra, izay manitsakitsaka ny Zo maha-olona. Isan’ny nanombohana izany, ny nampirehetana jiro miloko volomboasary teny amin’ny Rovan’i Madagasikara, omaly alina, tahaka ireo trano lehibe sy manan-tantara hafa maneran-tany. Mbola hitohy androany izany fomba fanamarihana ny « 16 jours d’activisme » izany.

Lire la suite

Articles Similaires