Alasora : Lehilahy namono ny rahalahiny marary saina
Ny rahalahiny ihany no namono ity lehilahy 48 taona izay manana olana ara-tsaina. Tsy zakan'ny havany sy ny fiarahamonina intsony ralehilahy ka izao niafara tamin'ny famonoana azy izao.
Nisy trangana vono olona ny 21 Novambra lasa teo, tamin'ny 7 ora sy sasany alina. Tao Anjozoro/Est Mantasoa no nahitana izany. Lehilahy iray 48 taona no hita faty. Nampiahiahy tanteraka nefa satria rotidrotiky ny zava-maranitra ny tarehiny sy ny tongony. Noho izany indrindra, nampandre haingana ny zandarimaria ny lehiben'ny fokontany ka avy hatrany dia nidina ifotony ny zandary. Tonga ihany koa ny mpitsabo nizaha ny razana.
Disadisa
Ny fanadihadiana nataon'ny zandarimaria no nahitana mbola mihoson-drà ny tanana sy ny lamba firakotr'ilay rahalahan'ny maty. Voatery notanana hatao famotorana izany io zandrin'Itompokolahy io. Ny ampitson'io dia voasambotra koa ireo roalahy hafa izay heverina ho mpiray tsikombakomba. Tsy dia misy antony manokana loatra no antony nahatonga ny famonoana fa heverina ho disadisam-piarahamonina. Somary misy olana kely ara-tsaina mantsy itompokolahy ka miteraka fahasorenana ho an'ity mpiray tampo niray trano taminy.