Sehatry ny kanto : Nindaosin'ny fahafatesana i Rira, nikalo an’i "Baban'i Roukia"
"Baban'i Roukia" ! Nanana ny lazany tany amin'ny taona '70 sy '80 tany izany hira izany. Nodimandry ny sabotsy 23 novambra 2024 lasa teo i Rira, izay niangaly io hira tsy nety lefy laza io.
Hira tsy lefy laza
Randriantseheno Jocelyn Wilfrid Gervais no tena anarany, fa i Rira no solon'anarana nentiny teo amin'ny sehatry ny kanto. Teraka tamin`ny 19 jona 1957 ary mpanakanto zanaky ny Faritra Boeny izy. Isan'ny fantatra tamin'ireo hira nolakoiny i "Tomany i Suzanne" sy "Fa tsy anjara", fa i "Baban'i Roukia" no tena nipetraka ho tantara. Porofon'izany, nisy mpanakanto taty aoriana namerina namelona indray ity hira ity, toa an'i Lous-Fah sy Oshna Tess, na ihany koa i MK Jhoshi. Ankoatra izay dia isan'ny nandrafitra ny tarika RI.SO.BOA.TO (RIra, SOlo, BOana, TOssy), izay fantatry ny mponin'i Mahajanga, i Rira.
Mpanabe
Ankoatra ny maha-mpihira azy dia fantatra fa nisehatra teo amin'ny fanabeazana ihany koa Randriantseheno Jocelyn Wilfrid Gervais, satria mpampianatra misotro ronono tao amin'ny lisea teknika Mahajanga izy.
Araka ny fantatra dia aretina tany amin'ny havokavoka no nahazo an'i Rira sy nitsaboana azy efa nandritra ny fotoana lavalava. Tao amin'ny Polyclinique Ilafy izy no namoy ny ainy, teo amin'ny faha-67 taonany, ny sabotsy teo, tokony ho tamin'ny 10 ora sy 30 minitra alina. Namela mananontena sy kamboty mianadahy ary zafikely 5 i Rira, amin'izao fahalasanany izao.