• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 18 hatramin'ny 24 novambra 2024

25/11/2024 00:05 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 18 hatramin'ny alahady 24 novambra.

Mahamasina # Tsenaben'ny Fizahantany sy ny Asa Tanàna

Nangingina tsy nisy tsena teny Mahamasina ny alakamisy lasa teo satria io andro io no nanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Tsenaben'ny Fizahantany sy ny Asa Tanàna, teny amin'ny tokontanin'ny Kianja Barea. Tranoheva miisa 140 no nampiseho ny harenantsika eto Madagasikara sy ny talentan'ireo mpanao asa tanana malagasy hisintomana ireo mpizaha tany na eto anatiny na avy any ivelany.
Ny Fitondram-panjakana dia manohana ireo hetsika entina hampiroboroboana ireo sehatra ireo, hoy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Nambarany ihany koa ny hametrahana ireo tetikasa lehibe toy ny "Lac Iarivo" sy ny "village artisanal" eny Ivato mba hisarihana hatrany ireo mpizaha tany.

Vaksiny # Fampirantiana sary "Humainement possible"

Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 19 novambra lasa teo ny fampirantiana sary mitondra ny lohahevitra "Humainement possible". Izany dia natao hampahafantarana ny besinimaro ny ady amin'ny famongorana ny lefakozatra, ny fanentanana amin'ny fanaovam-baksiny indrindra fa ireo zaza tsy mbola natao izany mihitsy na ireo "zéro dose".
Notsiahivin'ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, sady Reny mpiahy ny fanaovam-baksiny, fa maro ireo ezaka vita nandritra ity taona 2024 izay taonan’ny fanaovana vaksiny. Anisan'izany ny famongorana ny lefakozatra eto Madagasikara, ny fanatrarana hatramin’ny 73% ny tahan'ny fanaovam-baksiny ireo zaza "zero dose" sy ny fanefitry ny kitrotro izay nahenika zaza maherin'ny 400.000. Mitohy hatramin'ny 26 novambra ny hetsika eny amin'ny La City Ivandry.

Angovo # Hafainganina ny fitaterana sy fampiakarana ny "Groupe" lehibe eto Antananarivo

Nidina nijery ny fomba hanafainganana ny fitaterana sy fampiakarana any Antananarivo ny "Groupe" lehibe mahatratra 105 MW, izay efa ao amin'ny Seranan-tsambon'i Toamasina ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian, ny 21 novambra lasa teo. "Tsy maintsy tadiavina ny vahaolana maika hampiakarana ireo fitaovana ireo", hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Noho izany, dia tapaka fa hatomboka amin’ny faha-2 desambra ho avy izao ny fitaterana ireo fitaovana sy kojakoja mankadiry handrafetana ny Groupe 105 MW ireo, ao Ambohimanambola, Antananarivo.
Taorian'ny fitsidihana nataon'ny Praiminisitra Ntsay Christian tao amin'ny Seranan-tsambo ny maraina teo, dia nirotsaka avy hatrany nanaraka ny RN2 ny tenany, nanao fanaraha-maso akaiky ny asa maika tsy maintsy atao, hanamafisana ireo tetezana miisa telo ambiny folo (13). Izany dia ahafahana miroso aingana amin'ny fitaterana ireo fitaovana sy kojakoja ireo.

PLFI 2025 # Laharam-pahamehana ny angovo, ny fambolena sy ny fanamboaran-dalana

Nampitomboina avo roa heny mahery ny tetibolan'ny Ministeran'ny Angovo sy ny Akoran'afo. Hisy fampiasambola goavana maromaro ho tanterahina mantsy mba hampihenana sy hanafoanana ny fahatapahanjiro. 1 331 968 355 ariary ny tetibola 2025 raha 407 875 690 ariary teo aloha.
Tanjona lehibe ho tratrarina ihany koa ny fahaleovantena ara-tsakafo. Izany indrindra no nampitomboana ny tetibolan'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Mitentina 795 500 680 ariary izany ho an'ny taona 2025 raha 469 805 360 ariary tamin'ity taona 2024 ity.Nampiakarina ihany koa ny tetibola ampiasain'ny Ministeran'ny Asa Vaventy, amin'ny fikojana ny lalana sy ny fanaovana ny "autoroute". Avo roa heny mahery ny fiakarana satria 1 217 348 027 ariary tamin'ity taona 2024 ity, ary ho lasa 2 327 532 853 ariary amin'ny taona 2025.

PLFI 2025 # Mikasa haka hetra amin'ny Mobile Money ny Fanjakana

Niakatra ny tetibolam-panjakana ilaina amin'ny taona 2025. Hatreto nefa, tsy mahasahana ny vola hivoaka ny vola hiditra. Izany indrindra no nampitomboana ireo fampidiram-bola. Tafiditra ao anatin'ny PLF 2025 àry ny fangalana hetra 0,5% amin'ny fikirakirana vola amin'ny Mobile Money, manomboka amin'ny 150 000 ariary. Naneho ny tsy fankasitrahany izany ireo tambazotra 3 (MVola# Orange Money # Airtel Money) satria hisy fiantraikany ratsy amin'ireo mpanjifa izany, indrindra ho an'ireo tokantrano marefo. Mety hihena ny mpanjifa, sady hiakatra ihany koa ny vidim-piainana. Tsy adino ny mety ho fihemoran'ny "digitalisation" indray satria raha lafo loatra ny saran'ny fikirakirana ny Mobile Money dia hialan'ny mpanjifa tsikelikely izany. Andrasana araka izany ny mety ho fanapahan-kevitra raisin'ny Fanjakana sy ireo "Opérateurs".

PLFI 2025 # Handray mpiasa an'arivony ny Fanjakana

Tafiditra tanteraka anatin'ny volavolan-dalana mifehy ny tetibolam-panjakana ho an'ny taona 2025 na PLFI 2025 ny fampidirana mpiasampanjakana miisa 6.650. Ny ao amin'ny Ministeran'ny Fanabeazampirenena no hampidirana mpiasampanjakana betsaka indrindra : 3.000. Mbola eo amin'ny sehatry ny fanabeazana hatrany,handray mpiasa miisa 250 ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arak'asa, raha 100 ny ao amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony. Samy 1.000 kosa ny mpiasa ho raisina ho an'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, ny eo anivon'ny sampana misahana ny zandarimaria ary ny Filaminam-bahoana. Hisy mpiasa miisa 300 ho raisina eo anivon'ny Ministeran'ny Fahasalamana.

GEW # Famporisihana ny fandraharahana ho an'ny tanora

Notanterahina ny 18 Novambra hatramin’ny 23 Novambra 2024 ny hetsika GEW izay ivondronan’ny firenena mihoatra ny 180 isa, ary anisan’izany i Madagasikara. Izany dia eo ambany fiahian’ny Ministetan’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana miaraka amin’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena. Ny tanjona amin’ny fankalazana ny GEW dia fampiroboroboana ny fizakan-tenan’ny tanora, ny fanamafisana ny fampidirana ny fitovian-jo eo amin’ny fandraharana, famoronana rafitra mety amin’ny fanavaozana sy ny fivelarana.
« Ny MIC dia manohana am-pahavitrihana ny hetsika rehetra mikendry ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana izay fanoitra stratejika amin'ny famahana ny olana ara-tsosialy, ny fampiroboroboana ny tontolony sy ny fanavaozana izany, ny famoronana asa, ny fampiroboroboana ny indostrian'ny firenena iray» hoy ny Sekretera Jeneralin’ny MIC Andrianarivo Priscilla.

CUA # Nahazo PDS vaovao

Ny minisitry ny tontolo iainana teo aloha, Alexandre Georget, no voatendry ho PDS ao amin'ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny alatsinainy 18 novambra lasa teo. Filohan'ny antoko Maitso ihany koa ny tenany, ary efa niara-dalana tamin'ny fitondrana hatrany. Ny alarobia 20 novambra lasa teo no notontosaina ny famindram-pahefana teo amin'ny PDS vaovao sy ny solontenan'ny PDS teo aloha, izay kandida amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna.
Vinavinaina ho 2 volana ihany no hitantanany ny CUA. Io fe-potoana io no hahavitan'ny fifidianana sy hahafantarana izay ho Ben'ny Tanàna. Araka ny nambaran'ny PDS vaovao, fampandehanan-draharaha no atao fa tsy fanatratrarana vina. Na izany aza, ho tohizana hatrany ireo asa izay tena imasoan'ny kaominina, ka anisan'izany ny fanamboaran-dalana.

Fifidianana Ben'ny Tanàna # Milamina ny fampielezankevitra

Ny talata 19 novambra lasa teo no nisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny fampielezankevitra amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina. Samy nanana ny fomba nanantonany ny vahoaka ny kandidà tsirairay. Tao ny namory olona tamin'ny efitrano mihidy, nisy niombom-baaka, ary nisy ireo nisafidy ny hanao diabe. Amin'ny ankapobeny dia efa maro ireo nidina ifotony, saingy nanomboka tamin'iny herinandro lasa iny vao afaka nampiasa ny teny fanentanana hoe "fidio". Efa ahitana afisy eny an-dalana rehetra eny. Somary mangingina na izany aza ny fampielezan-kevitra hatreto. Nisafidy toerana mihidy ny ankabeazan'ireo kandida ny faran'ny herinandro teo. Ny alarobia 11 desambra moa no hanatanterahana ny latsa-bato manerana an'i Madagasikara. Bileta tokana hatrany no ampiasain'ireo mpifidy.

Zimbabwe # Fivorian'ny Filoham-panjakana mpikambana ao amin'ny SADC

Nigadona tany Zimbabwe ny alarobia 20 novambra ny filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina. Namonjy ny fivoriana tsy ara-potoan'ny Filohan’ny Fanjakana mpikambana rehetra anatin’ny SADC ny tenany. Amin’ny mahampikambana ao amin’ny Troïka-n’ny SADC azy dia mandray anjara feno amin’izany fivoriana izany i Madagasikara. Ity fivoriana ity dia anaovana tombana ny ezaka vita sy hanapahana ny fanohizana na tsia ny iraky ny SADC ao amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Iraka izay tokony hifarana ny volana desambra 2024.

Menabe # Nahazo fotodrafitrasa toeram-pidiovana

Notontosaina ny 18 Novambralasa teo ny fandraisana vonjimaika ny toeram-pidiovana tao amin’ny EPP Marolefo , kaominina Manambina , Distrika Miandrivazo. Fotodrafitrasa maromaro mikasika ny fidiovana sy ny fanadiovana no natolotra : toeram-pivoahana 06 ho an’ny lahy sy vavy, urinoir ho an'ny lahy sy ny vavy, fanasana tanana ary daba-pako. Nisy ihany koa ny fanentanana, mba hampiasana sy hikajiana ireo fitaovana rehetra.
Izany moa no tanteraka dia noho ny fiaraha-mientan'ny Ministera sy ny Ben'ny tanàna ary ireo mpiara-miombon'antoka mba hitsinjovana ny fanadiovana eny anivon’ny sekoly, indrindra ho an’ ireo manana fahasembanana.

ZLECAF # Fifanakalozana ara-barotra ao anatin'ny Kaontinanta Afrikana

Lany teny amin'ny Antenimierampirenena ny Volavolan-dalàna fankatoavana ny fidiran'i Madagasikara ao amin'ny Faritra Malalaka ara-barotry ny Kaontinanta Afrikana (ZLECAF). Ahafahan’i Madagasikara mifanakalo ara-barotra malalaka amin’ireo firenena anatin’ny Vondrona Afrikana ny fidirana ao . Ity faritra ity dia misy mpanjifa hatramin’ny 1,2 lavitrisa ary hiforonan’ny harinkarena faobe mitentina 2.500 lavitrisa dolara amerikana.

Kanto Malagasy # Miara-mihira i Farah John's sy i Koike

Gadona samy manana ny azy ny an'i Farah John's sy i Koike, nefa dia nisafidy ny hiara-mihira izy ireo. Toa hira mihetsiketsika hatrany no nahafantarana an'i Farah John's, nefa dia nisafidy ny hiventy hira milamindamina ny tenany amin'izao fiaraha-miasany amin'i Koike izao. Ny hitondra avo ny kanto Malagasy eo amin'ny sehatra iraisampirenena moa no tena tanjon'izy ireo. Efa misy moa ny hira niarahan'izy ireo, izay mitondra ny lohateny hoe "Fitiavako anao".

Lire la suite

Articles Similaires