Fahasalamana : Miisa hatramin’ny 7 isaky ny herinandro ny olona voan’ny VIH SIDA amin’ny fitilian’ny Mad’Aids
Mandray anjara amin’ny herinandro maneran-tany ho an’ny fitiliana (Semaine Internationale de Dépistage SID) ny Tambazotra Mad’Aids mandritra ity herinandro ity. Fotoana lehibe hanentanana ny rehetra hazoto hanao fitiliana ireo aretina sarotra sitranina toy ny VIH SIDA sy ny Hépatite B sy C izany fotoana izany. Fotoana iray ihany koa hanairana ny olona fa tena misy ireo aretina ireo.
Ny aretina SIDA no tena himasoana bebe kokoa. Raha ho an’ny Réseau Mad’Aids manokana izay miparitaka manerana ny Nosy dia mahatratra 5 hatramin’ny 7 isaky ny herinandro ny isan’ny olona voamarina fa voan’io aretina io.
Fitiliana : Varavarana misokatra ho amin’ny fahasalamana
Raha ny tatitra farany izay nataon’ny ONU SIDA dia ahiana ho 75 000 ny isan’ny olona mitondra ny tsimok’aretina VIH kanefa 20 000 amin’ireo ihany no nanao fitiliana sy manaraka fitsaboana. Isa izay tena mampiahiahy tanteraka eto Madagasikara izy io. Ka izany indrindra no mahatonga ity Réseau Mad’Aids ity mandray anjara amin’ity hetsika ity. « Ny fitiliana irery ihany no mitondra amin’ny fahasalamana sy miaro mba tsy hihitaran’ny aretina amin’ny olona rehetra. Fikambanana miisa 35 manerana ny Nosy no ao anatin’ity tambazotra ity. Maro ny tolotra ao ankoatra ny fitiliana dia ny fizarana kapaoty, fitsaboana amin’ny alalan’ny fanafody sy ny fandraisana antanana ara-tsaina sy ara-tsosialy », hoy i Firinga Jonhson, Filoha Mpanatanteraka ny Tambazotra Mad’Aids. Fomba iray natao hiarovana ihany koa ny fitiliana ka hahafahana mampihena io antontan’isa isaky ny herinandro io.
SIDA: Efa isan-karazany ny fiarovana
Nanazava hatrany ity Fikambanana ity fa ambany ny tahan’ny fahavitrihana manao fitiliana VIH. Maro ny antony, toy ny tsy finoana ny fisian’io aretina io. Eo ihany koa ny tsy fisian'ny enti-manana sy ny fanafody indrindra any amin’ny toerana alavitra ary ny fanilikilihana sy fanavakavahana ireo izay marary. Etsy andaniny anefa dia tena himasoana ny fanentanana satria efa karazany maro ihany koa amin’izao fotoana izao ny fomba fisorohana sy fitsaboana amin’ny fomba mora. « Hifanentanana amin’izao fotoana izao fa tsy tokony hahafaty intsony ny aretina VIH. Efa misy ny fanafody mahalava andro iainana ankoatra ny fitiliana. Eo ihany koa ny fanafody fiarovana izay manomboka hampidirina tsikelikely eto Madagasikara dia ny « Prophylaxie Préexposition (PREP) » izany », hoy i Marie Isabelle, Talen’ny Mad’Aids Antananarivo. Ity PREP ity izay natokana ho an’ireo olona mbola tsy mitondra ny tsimok’aretina saingy miara-miaina na manana fiainana mety mora hahazoana ny aretina. Ao anatin’izany ny mpivaro-tena, ireo lehilahy miray amin’ny lehilahy na ireo manambady olona mitondra ny tsimok’aretina VIH…Hanatanteraka fitiliana amin’ny renivohi-paritra miisa 3 eto Madagasikara moa ny Mad’Aids mandritra ity herinandro ity. Ao anatin’izany Antananarivo, Toamasina ary Morondava. Tanjona ny hampidinana io antontan’isa io.