Centre Vonjy Mahajanga : 180 isa ny trangana herisetra ara-nofo noraisiny, ho an’ny taona 2024
Nahatratra 180 isa ny trangana herisetra ara-nofo noraisin’ny Centre Vonjy ao Mahajanga an-tanana, teo anelanelan’ny volana janoary hatramin’ny volana ôktôbra 2024. Hita taratra amin’izany fa mbola manjaka ny herisetra atao amin’ny ankizy eto Madagasikara.
Tohana ahafahana mihoitra
7 taona mahery izay no niasan’ny Centre Vonjy ao amin’ny hôpitaly Androva Mahajanga. Ankizy, eo anelanelan’ny 6 taona hatramin’ny 14 taona ny 53% tamin’ireo noraisina an-tanana teo anivon’ity ivon-toerana ity, tao anatin’izay taona mifandimby izay. Porofo izany fa mbola maro ireo ankizy malagasy no iharan’ny herisetra. Tamin’ireo trangana herisetra 180 niseho tamin’ity taona ity, dia ankizilahy ny iray tamin’ireo niharany. Raha tamin’ny taona 2023 indray, dia 226 isa ireo ankizy niharan’ny herisetra ara-nofo noraisin’ny Centre Vonjy an-tanana. Lahikely ny 6 tamin’ireo.
Mitondra famonjena ho an’ireo ankizy tratran’ny herisetra ara-nofo ny fisian’ireo Centre Vonjy amin’ny Faritra maro eto Madagasikara. Tsy mora mantsy ny miarina, aorian’ny trangana herisetra nahazo, saingy mitondra tohana ahafahana mihoitra ireo mpisehatra ao amin’ity ivon-toerana ity. Izany rahateo no antony namondronana azy ireo ho amin’ny toerana iray, mba hanamorana ny fandraisana ny fitoriana sy ny fandraisana an-tanana ireo ankizy tratran’ny herisetra.
Mpisehatra isan-tsokajiny
Ahitana mpitsabo, mpisehatra ara-tsôsialy, pôlisy sy mpanao famotorana, isaky ny Centre Vonjy rehetra manerana ny Nosy. Mihaino ny fitarainan’ireo ankizy sy ny fianakaviany ireo mpisehatra ara-tsôsialy, manaraka ireo ankizy amin’ny fizahana ara-medikaly sy fitsaboana tsy maintsy atao aminy, ary manampy amin’ny fanamorana ny fahazoana ireo antontan-taratasy mety ilaina. Mety ho tonga hatramin’ny fitsidihana any an-tokantrano izany, ho fanaraha-maso ny fiarenan’ilay ankizy niharan’ny herisetra. Misy moa ny tohana ara-psikôlôjika omena ireny ankizy ireny, noho ny tranga nahery setra nihatra taminy, izay nandona ny sainy.
Ireo mpitsabo indray dia manatanteraka ny fizahana sy manome ny fitsaboana ilaina ary mandefa mankany amin’ny hôpitaly, hanohizana ny fitsaboana, raha ilaina izany. Ny mpitsabo ihany koa no manome ny antontan-taratasy « rapport médico-légal », izay ilaina amin’ny fitoriana. Eo anivon’ny Centre Vonjy ihany moa no anatanterahana izany fitoriana izany, fa misy mpitandro ny filaminana sy mpanao famotorana miasa ihany koa eny anivon’ireny ivon-toerana ireny. Ireto farany no mampita ny taratasy fitoriana eny anivon’ny fitsarana, ary manampy amin’ny fisamborana ny mpanao herisetra.
Tsara ny manamarika fa tamin’iny taona 2023 lasa iny, dia tao Mahajanga I avokoa no nahitana ny 62%-n’ny trangana herisetra tao amin’ny Faritra Boeny. Tao Mahajanga II kosa no nahitana ny 11%-n’ny tranga, tao Marovoay ny 10% ary tao Ambatoboeny ny 9%.