Nosy Varika : Miisa 641 ny traboina vokatry ny hain-trano tao amin’ny Fokontany Masondranokely
Nisehoana hain-trano nandrava tanàna indray ihany koa tao amin’ny Fokontany Masondranokely, Distrikan’ny Nosy Varika ny talata 19 novambra lasa teo. Olona miisa 641 amin’izao fotoana izao no traboina any an-toerana.
Nanodidina ny 90% ny fahavoazana
Goavana ity firehetana niseho tao Nosy Varika ity. Raha ny fanazavana avy amin’ireo mponina dia afo tsy voafehy avy amina tokantrano iray mpanendy mofo sy mpanaly paraky amin’ny fatana no niandohan’ny afo. Mafana ny andro ary maina ihany koa ny bozaka ka vetivety dia nihitatra izany. Trano falafa rahateo ny ankamaroan’ny trano ka miisa 231 ireo trano simba tamin’izany. May tsy nisy noraisina avokoa araka izany ny entana rehetra sy ny fananana nohariana an-taonan'ny maro ka tombanana ho 90 isan-jato ny fahavoazana vokatr'izany. « Variana tany amin’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ny ankamaroan’ny mponina ka tsy nisy naharay na inona na inona. Ny ety ankoditra sisa no hany fananako amin’izao, toy ny an’ny ankamaroan’ny mponina. May tao avokoa hatramin’ny taratasy notahirizina toy ny bokin’omby izay tena zava-dehibe », hoy ny ireo mponina any an-toerana. Alahelo ny an’ireto mponina satria very tao anatin’ny indray mipi-maso ny fananana nohariana tao anatin’ny fotoana naharitra.
Miantso fanampiana
Manoloana izany fahasahiranan’ny mponina any an-toerana izao dia miantso sy mangataka fanampiana izy ireo. Maro amin’izy ireo no tsy manan-kialofana intsony sady tsy manan-kohanina. Ankoatra ny fitaovana mantsy dia may tao ihany koa ny vola nangonina sy ny vola rehetra tokony hampiasaina. Tsy nisy kosa anefa ny aina nafoy tao anatin’izany. Etsy andaniny dia mila ny fitandreman’ny olona rehetra ny fahamaizana toy izao. Raha tsiahivina dia vao nisehoana hain-trano misy traboina maro be toy izao koa ny Fokontany Marovato tao Nosy Varika ihany ny 1 novambra lasa teo. Afo niainga avy amina tokantrano hatrany anefa ireo rehetra ireo. Hialana indrindra amin’ny sehon-javatra toy izao izany fandraisana andraikitra izany.