Famokarana anaty rano : Miroso ny fananganana ny « Zone d’Emergence Piscicole »
Isan’ny mampiditra vola betsaka amin’ny mpisehatra sy ao anatin’ny harikarena faobe ny sehatry ny jono. Izany no hanaovana ity fananganana ny Zone d’Emergence Piscicole (ZEP) eto Analamanga ity. Miroso ny asa raha ny tatitry ny fitsidihan’ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga, Mahatante Paubert teny Ambatofotsy, Kaominina Tsiafahy, Distrikan'Atsimondrano izay toerana hametrahana ny ZEP Analamanga ity.
Fotodrafitrasa lehibe
Tanjon’ny fitondram-panjakana ny hampiroboroboana ny sehatry ny jono dia ny hamokarana zana-trondro miisa 600 tapitrisa isan-taona. Natao hanatratrarana izany tanjona izany ity ZEP ity. Ahitana dobo miisa 09 mitotaly 528m2, toeram-piofanana, "laboratoire", birao, "Écloserie" ity ZEP ity izay vinavinaina hamokatra zanatrondro mihoatra ny 01 tapitrisa farafahakeliny isan-taona ity. Mbola hitarina hanatratrarana ny tanjona hamokatra zanatrondro 05 hatramin'ny 10 tapitrisa isan-taona izany, raha ny fanazavan’ny avy ao amin’ny Ministera. Tsiahivina moa fa tanjona amin'izao ny hanofana ny mponina hisehatra amin'ny fiompiana trondro sy hamokatra zana-trondro ka hamaly ny tsena anatiny izay mifanindra an-dalana tanteraka amin'ny vinan'ny Ministera amin'ny hafahan'ny isan-tokantrano manao ny fiompiana trondro toy ny fiompiana akoho. Raha ny hita teny an-toerana dia efa azo lazaina ho manodidina ny 90% ny asa vita amin’izao fotoana izao.
Hitarina any amin’ny faritra
Mbola goavana ny fanamby raha ny hanatratra ity tanjona ity. Niaraka tamin’ny Vondrona Eoropeanina moa ny Minisitera nandritra ity fitsidihana ity. Isan’ny tanjona tamin’izany ny handresy lahatra ireto farany ny amin'ny hanitarana ny foto-drafitrasa toy izao any amin'ny Faritra hafa manerana an'i Madagasikara. Ankoatra ny eto Analamanga mantsy dia tanjona ny hampiakarana ny fihinanana trondro mba hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Eo ihany koa ny famoronana asa hiadiana amin’ny fahantrana.