• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Mitohy ny famolavolana ny drafitra entina hikojakojana ny lalana miaraka amin’ny JICA

21/11/2024 09:38 © Moov

Mbola mipetraka ho laharam-pahamehana ny fikojakojana ny fotodrafitrasan’ny lalana eto Madagasikara. Araka izany dia manamafy ny fiaraha-miasany amintsika amin’ny alalan’ny Ministeran’ny asa vaventy ny JICA eto Madagasikara. Notanterahina omaly ny fivoriana fahafito ho an’ireo Malagasy sy Japoney miara-miasa ao anatin’ny tetikasa F3TLM na ny tetikasa fikojakojana ny lalana sy ny tetezana.

Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina

Tanjon'ny tetikasa ny fanamafisana ny fahaiza-manao an'ireo injeniera eto amin'ny Minisitera amin'ny fomba fikojakojana ny lalana sy ny tetezana. Eo ihany koa ny hananana drafitrasa sy boky fampianarana entina hampiarana izany eny ifotony miaraka amin'ireo teknolojia arifomba avy amin'ny JICA. Amin’izao fivoriana fahafito izao dia boky miisa roa no ezahina ho avoaka mba hahafahana mampihatra izany. Efa boky miisa 3 no navoaka nandritra ny fivoriana fahaenina farany. « Boky miisa 7 no tsy maintsy havoaka amin’ny fivoriana toy izao. Hotanterahina amin’ny volana febroary 2025 ny fivoriana fahavalo hamoahana ny boky roa farany », hoy ny avy ao amin’ny Ministera. Raha ny fanazavana dia ireo boky isan-karazany ireo no ampiharina amin’ny fikojakojana ny lalana.

Hampiharina manomboka ny taona 2025

Aorian’ny famoahana ireo boky roa farany amin’ny herin-taona dia hanomboka avy hatrany ny fampiharana. « Hiditra amin’ny tapany fahatelo amin’ny tetikasa avy hatrany isika vao tafavoaka ireo boky roa farany. Zava-dehibe indrindra ao anatin’izany ny fampiharana ny votoatin’ireo boky amin’ny fikojakojana ny lalana », hoy ny Solontenan’ny JICA eto Madagasikara. Ny lalana izay tsy afa-misaraka aminy ny tetezana, dia natao indrindra hamelona indray ny teo-karena malagasy sy ny harikarena faobe. Izany no handraisana ity tetikasa ity ho zava-dehibe. Nandritra ny fivoriana no nanaovan'ireo vondrona miisa enina ny tatitra ny fandrosoan'ny tetikasa sy ny tohiny izay mbola hotanterahina. Nofaranana ihany koa tamin'ny fankatoavana ny boky mirakitra ny BMS " Bridge Management Système" sy PMS "Pavement Management Système " ary ny drafitra fanoloana ny tetezana ny fivoriana.

Lire la suite

Articles Similaires