• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Maurice Info
Image
Vaovao

Toetr’andro : Tsy hisy fiantraikany aty Madagasikara ny rivo-doza Bekhi

20/11/2024 16:48 © Moov

Any amin’ny maherin’ny 1 359 km miala ny morontsiraka Atsinanan’ny Nosy no misy ny foiben’ilay rivodoza Bheki amin’izao, hoy ny avy ao amin’ny Foibe Famantarana ny toetry ny andro. Nosokajiana ho Tempête Tropicale Modérée izy amin’izao fotoana izao io raha manana hafainganam-pandeha 35km/h. Heverina ho tsy hisy fiantraikany aty Madagasikara io rivo-doza io.

Mety hahazo orana

Hatreto aloha dia mbola azo lazaina ho maina ny toetry ny andro eto Madagasikara, saika manerana ny Nosy izany, raha ny fanambarana hatrany. Ho an’ny fiafaran’ny herinandro, izany hoe hanomboka ny zoma ho avy izao, mety ho avy ny orana. Hisitraka izay orana tandrifin-drahona izay ny any Sambirano sy Nosy Be ary ny tapany afovoany andrefan’ny Nosy. Ao anatin’izany rehetra izany anefa dia hijanona hafana hatrany ny andro. Raha ny eto afovoan-tany fotsiny dia manomboka amin’ny 12°C ny maripana ka hahatratra hatramin’ny 34°C izany. Ny any amin’ny sisiny kosa, toa an’ny Mahajanga dia mahatratra hatramin’ny 36°C.

Mety ho lefy ny herin’i Bekhi

Raha ny toetry ny rivo-doza amin’izao fotoana izao dia heverina ho lasa « dépression tropicale » ao La Réunion sy Maurice ity rivo-doza ity. Hihena araka izany ny heriny. Raha ny fanamarihana hatrany dia tsy mety tsy hikasika mihitsy ny Nosy Madagasikara izy. Araka izany, hatreto dia tsy hisy ny hatahorana saingy mbola hampitandremina hatrany ny mpampiasa ranomasina. Na dia tsy misy aza ny fampitandremana ofisialy dia mila mailo hatrany ny mpiandriaka. Toy izany ihany koa ireo mponina amin’ny moron-tsiraka amin’ny fahamailoana rehetra tokony hapetraka.

Lire la suite

Articles Similaires