• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sos Village D'Enfants Monde
Image
Vaovao

Sosialy : Mbola maro ny ezaka mila hatao hampisitrahana ny ankizy ny karazan-jony

20/11/2024 16:46 © Moov

Mbola ambany avokoa ny tarehimarika mampiseho ny fampisitrahana ny ankizy ny zony. Ankalazaina isaky ny 20 novambra toy izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy. Ny andro toy izao no entin’ireo fikambanana samihafa miaro ny zon’ny ankizy hampanenoana indray ny lakolosy amin’ny fampitomboana ny ezaka hampisitrahana izany.

Ambany ny tondro amin’ny fampisitrahana zo

Miisa eo ho eo amin’ny 14 tapitrisa eo amin’izao fotoana ny malagasy latsaky ny 15 taona izay sokajiana ho ankizy. Raha io isa io dia azo heverina ho manana andraikitra ihany koa izy ireo hitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana. Voafetra ihany anefa izany azony atao izany satria maro ireo zo tsy sitrahiny araka ny tokony ho izy ka tsy mitondra any amin’ny fampandrosoana.
Raha ny valim-pikarohana avy amin’ireo Fikambanana mpiaro ny zon’ny ankizy dia ankizy 3 amin’ny 4 no tsy misitraka ny zo fototra tokony ho azy akory. Iray amin’ny 4 amin’ny ankizy 13 hatramin’ny 15 taona no tsy mandalo fianarana amin’ny ambaratonga voalohany. Miisa 3 amin’ny 10 ireo miala an-daharana rehefa fiafaran’ny taona voalohany na T1. Izany fotsiny dia efa afaka milaza fa ambany ny fampisitrahana zo ny zaza malagasy. Tsy ambakan’izany ihany koa anefa ny fisitrahana fiantohana ara-pahasalamana sy ny fiantohana ara-tsosialy izay samy tena ambany.
Mbola tena ilaina ny fampiakarana ireo antontan’isa ireo, araka izany, satria isan’ny mampivelatra ny ankizy ny fisitrahana ireo zo fototra.

« Andao hibanjina ny ho avy mamiratra miaraka amin’ny ankizy sy ho an’ny ankizy »

Any Mahajanga ny ivon’ny fankalazana ity andro ity eto Madagasikara. Lohahevitra entina amin’izany ny hoe « Andao hibanjina ho avy mamiratra miaraka amin’ny ankizy sy ho an’ny ankizy ». Tao anatin’izany no niantsoan’ny Minisitra ny mponina, Razafinjato Aurélie, ny fiaraha-miasan’ny rehetra mba hanatanteraka ity lohahevitra ity. « Voaray ao anatin’izany lohahevitra izany avokoa ny Ray aman-dReny, ny mpiahy, ny fiaraha-monina ary ireo mpanabe. Samy manana ny andraikiny avokoa amin’ny fanampiana ny ankizy hamiratra amin’izay hataony rehetra », hoy hatrany ny Minisitra. Isan’ny tena zava-dehibe indrindra amin’izany ny fanombohana amin’ny fanomezana kopia ny zaza rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires