Jono madinika : Mamelona Malagasy mihoatra ny 1 500 000 isa
Mihamanan-danja hatrany ny fitantanana ny jono mba haharitra kokoa, aty Afrika, noho ny filàna ateraky ny fitombon'ny isan'ny mponina. Manoloana izany indrindra dia nisy ny atrikasa notontosaina nandritra ny roa andro, teny Antaninarenina, mba handinihana ny fiantraika ara-toekarenan'ny jono madinika eto Madagasikara.
Mitombo ny filàna
Araka ny antontan'isa avy amin'ny fandaharanasa Ecofish, dia vinavinaina hahatratra 1,7 lavitrisa ny fitombon'ny isan'ny mponina aty Afrika, amin’ny taona 2030, ary 2,5 lavitrisa amin’ny taona 2050. Milanja 13 tapitrisa taonina ny filàna momba ny vokatra an-dranomasina aty amin'ny kaontinanta Afrikanina amin’ny taona 2030 ary 19 tapitrisa taonina amin’ny taona 2050, raha tiana ho voatazona ny tahan’ny fanjifana isam-batan’olona amin’izao fotoana izao. Raha ny vokatra hazan-dranomasina amin'izao fotoana izao anefa dia milanja 7 tapitrisa taonina ny vokatra aty Afrika.
Manana anjara toerana goavana amin'ny fampaharetana ny jono ho lovainjafy ny sehatry ny jono madinika sy ny jono nentim-paharazana eto Madagasikara, amin'ny maha-nosy antsika sy noho ny fananantsika velaran-dranomasina midadasika. Mamelona olona mihoatra ny 1 500 000 ny jono madinika eto amintsika ary ny 67% hatramin'ny 70%-n'ny vokatra trondro miakatra dia avy amin'ny jono madinika avokoa, araka ny nambaran'ny avy eo anivon'ny ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga. Miantraika amin'ny toekarena izany zava-misy izany.
Angom-baovao marina
Notanterahina teny Antaninarenina ny 18 sy 19 novambra 2024, ny atrikasa fankatoavana ny fanadihadiana momba ny fiantraika ara-toekarena sy ara-bola ho an'ny sehatry ny jono madinika eto Madagasikara. Tanjon'ny atrikasa ny hamantarana marina ny momba ny vola miditra amin'ity sehatra ity, izay tombanana ho manodidina ny 3 miliara Ariary. Araka ny fantatra ihany koa anefa dia mbola latsaky ny 50% ny tahan'ny fitrandrahana amin'izao fotoana izao. Olana ihany koa ny tsy fahafehezantsika ny antontan'isa, noho ny hamaroan'ireo mpanjono madinika sy ny fivelaran'i Madagasikara. Izany anefa dia tsy ahafahana manana mari-drefy marina momba ny fiveloman'ny olona sy ny fidiram-bolan'ny mpanjono tsirairay, ka tsy hahafahana mandray fanapahan-kevitra ara-toekarena. Tanjon'ity atrikasa ity ihany koa, araka izany, ny hahalalana ireo tombony entin'ny jono madinika eto Madagasikara, ny toerany eo amin'ny harin-karena faobe ary koa hahafahana mampiroborobo ny fampandrosoana maharitra eo amin’ny sehatry ny jono.
Tonga nanatrika izao atrikasa izao avokoa ireo sehatra rehetra voakasika amin'izany, notohanan'ny fandaharanasa Ecofish, izay nampiseho ny vokatry ny tatitra fanombanana nataony momba ny anjara toekarena sy ara-bola avy amin’ny sehatry ny jono madinika. « Ireo angon-drakitra manan-danja ireo dia hanome hery ireo mpandray anjara Malagasy, mba hahafahany mandray fanapahan-kevitra stratejika sy miorina amin’ny angom-baovao marina », hoy ny avy eo anivon’ny Ecofish.