• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Antenimierampirenena
Image
Vaovao

PLFI 2025 : Laharam-pahamehana ny angovo, ny fambolena sy ny fanamboaran-dalana

19/11/2024 14:35 © Moov

Maromaro ny ministera izay nahena ny tetibolany, noho ny fanomezan-danja manokana ny sosialim-bahoaka. Nahitana fiakarana nefa ny tetibolam-panjakana amin'ny ankapobeny, ka lasa 14 008 872 173 ariary raha 11 395 895 865 ariary tamin'ity taona 2024 ity.

Natolotry ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Ramatoa Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona 2025.

Nozarain-Ramatoa Minisitra efatra ny famelabelarana nataony ka ny voalohany dia ny mikasika ny toekarena izay ahitana harin-karena faobe manodidina ny 5%, ny faharoa dia ny mikasika ny fidiram-bola, ny fahatelo dia ny fandaniana, ary ny faha-efatra farany kosa dia ireo fampiasam-bola amin’ireo tetikasa lehibe. Isan’izany ny hividianana masomboly hanatrarana ny tanjona amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo, ny lalam-be mikodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina, ny « Route du Soleil », ary ny resaka famokarana herinaratra amin’ny angovo azo havaozina sy ny famahana ny olan’ny rano.

Laharam-pahamehana amin'ny fampandrosoana

Araka izany, nahitana fiakarana azo tsapain-tanana ny tetibolan'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Mitentina 795 500 680 ariary izany ho an'ny taona 2025 raha 469 805 360 ariary tamin'ity taona 2024 ity. Entina hanatrarana ireo vina maro hirosoana amin'ny fahaleovantena ara-tsakafo izany. Hihena araka izany ny fanafarana entana avy any ivelany, ka omen-danja manokana ireo mpamokatra avy eto an-toerana. Niakatra ihany koa ny tetibolan'ny Ministeran'ny Angovo sy ny Akoranafo. Maherin'ny 60% ny fiakarana satria 1 331 968 355 ariary izany raha 407 875 690 ariary teo aloha. Azo antoka izany fa hisy ny fampiasambola goavana mba hanenana ny fahatapahan-jiro sy hampisitrahana herinaratra ny vahoaka malagasy manerana ny nosy.

Nampiakarina ihany koa ny tetibola ampiasain'ny Ministeran'ny Asa Vaventy, amin'ny fikojana ny lalana sy ny fanaovana ny "autoroute". Avo roa heny mahery ny fiakarana satria 1 217 348 027 ariary tamin'ity taona 2024 ity, ary ho lasa 2 327 532 853 ariary amin'ny taona 2025.


Copyright Image : © LFI

Lire la suite

Articles Similaires