• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mdat
Image
Vaovao

Fanajariana ny tany : Hatsangana ny « brigade spécialisée » hiady amin’ny fanotofana tany tsy ara-dalàna

18/11/2024 14:08 © Moov

Mbola mitohy ny fanotofana tany tsy ara-dalàna eto Antananarivo sy ny manodidina, na dia efa voararan’ny lalàna araka ny didim-panjakana laharana 2022-241 tamin’ny 23 febroary 2022, aza izany. Ho fanenjehana sy hiadiana amin’izany indrindra no hananganana ny « brigade spécialisée » hiady amin’ny fanotofana tsy ara-dalàna. Fiaraha-miasan’ny sampan-draharaham-panjakana maromaro izany sampana izany.

« Brigade spécialisée »

Hatsangana eo anivon’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (MFFT) ny “Brigade Spécialisée” izay ivondronan’ny zandary, polisy, ny prefektora ary ny Ministera. Hiady manokana amin’ny asa fanotofana tany tsy ara-dalàna ka hanampy ireo Polisin’ny Fanajariana ny Tany (Police d’Aménagement du Territoire) ity sampana ity. Araka izany, ny asan’izy ireo dia ny hanara-maso sy hiady amin’ity asa ratsy ity. Marihina mantsy fa misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka ny fanotofana tany tsy ara-dalàna. Isan’ny antony voalohany mahatondraka ny rano eny amin’ny lemaka sy ny faritra iva amin’ny fotoam-pahavaratra izy io. Mahatonga ny tanimbary tsy ho tongan’ny rano ihany koa noho ny fahasimban’ny fotodrafitrasa. Tsy adino ny fahatsetsenan'ireo lakandrano izay manondraka ireo faritra ireo ihany koa. Miampy ny fako mavesatra sy mitsingevana ary ny fahateren’ireo fotodrafitrasa sy ny fipetrahana eny amin’ireo faritra tsy azo hanorenana. Tsy adino ny halatra sy fanimbàna ny fananana iombonana. Izany rehetra izany no hanambarana ny maha-zavadehibe ity « brigade » ity.

Ady amin’ireo MAFIA

Raha ny tatitry ny MFFT, vao nahatratrana ity asa ratsy ity indray tamin’ity volana novambra ity. Miisa eo amin’ny 11 ireo fiara lehibe izay tratra ambodiomby ka nogiazana any amin’ny valam-pamonjana ankehitriny (fourrière). Miisa 13 kosa ireo nandositra ka efa eny am-pelatan’ny manampahefana ny mahakasika azy ireo ary hanaovana fanadihadihana sy fikarohana avy hatrany. Manoloana ny tranga toy izao dia manohy ny hetsika manokana ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany amin’ny fanenjehana ireo tambajotra maro an'isa ireo, antsoina ihany koa hoe “MAFIA” izay ao ambadiky ny asa ratsiny dia miaro halatra tany ihany koa. Eny amin’ny faritra manamorona ny By-pass, Ankasina, Ambohimangakely ary Ambohijanaka no tena lasibatra amin’ity fanotofana tany ity.

Lire la suite

Articles Similaires