• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Kayak
Image
Vaovao

Antananarivo : Mitohy hatramin’ny 7 desambra ny iray volan’ny hetran-trano

18/11/2024 12:17 © Moov

Raha tokony nifarana ny 7 novambra lasa teo dia mitohy hatramin’ny 7 desambra indray ny fandraisana ny mpandoa hetran-trano. Nanapa-kevitra ny hanokatra ny varavarana hatramin’ny volana desambra io indray ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), izay ao anatin’ny fanenan-ketra faobe amin’izao fotoana izao. Tsy misy fiovana fa toy ny fepetra teo aloha ihany no hampiharina amin’izany.

Hampanefana ny mponina rehetra ny adidiny

Isan’ny tanjon’ny CUA tamin’ity fanenan-ketra faobe ity ny hanampiana ny mponin’Antananarivo rehetra ny amin’ny fanefana ny adidiny. Raha ny voalaza dia mbola maro ireo tsy nahahefa ny adidiny tao anatin’iny iray volan’ny hetra iny. « Tamin’ny farany nandritra iny iray volan’ny hetra iny no betsaka ireo tsy voaray intsony ka izay no tena antony nanampiana ho iray volana indray ity fandraisana ireo mpandoa hetra ity », hoy ny Tompon’andraikitra eo anivon’ny CUA. Raha ny antontan’isa farany izao dia miisa 20 400 ireo mpandoa hetra nahatanteraka ny adidiny tao anatin’ilay iray volan’ny hetra. Etsy ankilany anefa dia miisa 200 000 ireo voaisa tokony hanefa izany. Mbola miandry mpandoa hetra misimisy kokoa araka izany ny CUA.

Tsy miova ny fepetra

Ao anatin’izany rehetra izany dia tsy nisy fiovana ny fepetra sy ny vidin’ny fanenan-ketra. Tsara moa ny mampatsiahy fa ho an’ny hetran-trano ho an’ny taona 2021 – 2022 ity fanenana ity. Raha tsiahivina dia tsy nahitam-piovana ny hetran-trano latsaky ny 10 000 Ariary satria efa antonony izany.
Ho an’ireo hetra eo anelanelan’ny 10 000 hatramin’ny 100 000 Ariary, tsy mandoa afa-tsy 10 000 Ariary ilay olona. Raha toa ka manodidina ny 100 000 hatramin’ny 200 000 Ariary kosa ny hetran-tranon’ilay olona dia tsy mandoa afa-tsy 20 000 Ariary izy ireo. Raha toa ka 200 000 hatramin’ny 3 000 000 Ariary kosa ny hetran-trano tokony ho naloany ao anatin’ny taratasin-ketra. Tsy mandoa afa-tsy 25% ilay olona. Raha toa ka nanana hetra 3 000 000 hatramin’ny 5 000 000 Ariary, tsy mandoa afa-tsy ny 80% ilay tompontrano. Raha toa ka maherin’izay, lasa 90% ihany sisa no aloan’ilay olona ny 2021 sy 2022. Araka izany, hiasa toy ny teo aloha ihany ireo toerana natao handraisana ireo mpandoa hetra tamin’iny iray volan’ny hetra iny.

Lire la suite

Articles Similaires