Fahasalamana : Hanomboka ny fitaterana fanafody amin’ny alalan’ny « drone » ao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana
Mbola isan’ny toerana maro saro-dalana ny Faritra Atsimo Atsinanana. Izany indrindra no anton’ny tetikasa fitaterana fanafody amin’ny alalan’ny « drone » any an-toerana.
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ity tetikasa fanaterana ny vaksiny sy fitaovana ara# pahasalamana amin' ny alalan' ny “drone” ity. Distrika maromaro manomboka izao no afaka hisitraka fanafody amin’ny fomba mora kokoa sy haingana.
Distrika miisa 8
Afaka hanatitra fanafody sy vaksiny ary fitaovana ara-pahasalamana amina Distrika miisa 6 ao anatin’io faritra io ity tetikasa ity. Distrikan' i Vangaindrano, Vondrozo, Farafangana, Befotaka Atsimo, ary Midongy Atsimo ( Faritra atsimo atsinanana ). Isan’ny misitraka tombontsoa amin’izany ihany koa anefa ny Distrikan’ny Taolagnaro ( Faritra Anosy ) sy i Iakora ( Faritra Ihorombe ). Natao indrindra moa izao mba ho fanatsarana hatrany ny rafi# pahasalamana eto Madagasikara fa indrindra any amin' ireo CSB saro-dalana. Marihina moa fa afaka mitatitra vaksiny sy fanafody isan# karazany hatramin' ny 10kg ity « drone » ity. Hiainga avy ao amin'ny Distrikan' i Vangaindrano mankany amin' ny Tobim-pahasalamana manodidina ny 100km (vol d’oiseau) izany, izay fiaraha-miasa eo amin' ny Minisiteran' ny Fahasalamam-bahoaka sy ny PSI Madagascar, ary ny mpamatsy vola amin' izany dia ny GAVI l’Alliance du Vaccin. Tafiditra indrindra ao anatin' ny fanavaozana ny rafitra famatsiana fanafody ireo toerana saro-dalana eto Madagasikara mba hisitrahan' ny daholobe tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao izany.
Fanantenan’ny mponina
Raha vitsy ny fanafody azo ampiasaina eny amin’ireny toerana saro-dalana ireny teo aloha, hisitraka karazany maro ny mponina manomboka eto. Velom-panantenana izy ireo vokatry ny fampiasana " drone " satria tsy tapaka ny famatsiana vaksiny sy ny fanafody mandavan-taona. Nandritra io fotoana nanombohana ny tetikasa io dia efa nisy ny fitaterana vaksiny miisa 280 doses tao amin' ny CSB Ambongo ao amin' ny Distrikan' i Vangaindrano. Hanampy arak' izany amin' ny fanatevenana ny fanaovam-baksiny faobe sy ny fanomezana fitaovana ara# pahasalamana ity dingana ity.