• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Saha Maintsoanala Mandraka
Image
Vaovao

Firehetana ala tany Mandraka : Tsy nahakasika ny faritra arovana Saha Maintsoanala

18/11/2024 07:04 © Moov.Mg

Tsy tao anatin’ny Saha Maintsoanala no nitrangan’ny firehetana, omaly, izay nampisahotaka olona maro, araka ny fanazavan’ny mpitantana ity faritra arovana ao Mandraka ity.

Saro-dalana

Nampihetsi-po ny olona maro, omaly, ny nahita fampitam-baovao maromaro tao anaty tambajotra sôsialy, izay milaza fa mirehitra ny ao Mandraka. Nisy tokoa ny firehetana, saingy tsy tao anatin’ny faritra arovana Saha Maintsoanala, fa kosa ao amin’ny faritr’ala manokana tantanan-dRamaherisonina, izay olon-tsotra, ao avaratra andrefan’ny valan-javaboaharin’i Mandraka. Na izany aza anefa, mampalahelo foana ny trangana firehetana ala, indrindra amin’izao vanim-potoana izao, izay tena ilàna ny fanatevenana ireo faritr’ala eto amintsika, mba hiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Araka izany, efa niatrana namono ny afo ny fokonolona hatramin’ny omaly, miaraka amin’ny zandary sy ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ary koa ny eo nivon’ny Distrikan’i Manjakandriana. Saro-dalana anefa io toerana nahitana firehetana io, ka somary mananosarotra ny famonoana ny afo.

Nambaran’ny avy eo anivon’ny Saha Maintsoanala fa tsy ahiana ny hiitaran’ny afo, ka hahavoakasika ity faritra arovana ity. Lavitry ny saha mantsy ny faritr’ala mirehitra, ary misy rano ihany koa manelanelana ireo faritra roa ireo, araka ny fanazavana.

Ny saha Maintsoanala moa dia sokajiana ho isan’ireo ala voajanahary sisa hita aty afovoan-tany. Mirefy 26 ha izy io ary ahitana ireo zava-mananaina sy zava-maniry mampiavaka ny tapany Atsinanan’i Madagasikara, toy ny orkide, ny karazana varika, ny vorona…

Lire la suite

Articles Similaires