• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Us Embassy
Image
Vaovao

Tetikasa « Vikina » sy « Harea » : Hanome tohana 22 100 000 dolara ny USAID, hiatrehana ny loza voajanahary

15/11/2024 16:41 © Moov.Mg

Tanjon’ny tetikasa « Vikina » sy « Harea » ny hanomezana tohana ho an’ny tokantrano miisa 88.000 any Atsimo sy Atsimo Atsinanan’i Madagasikara, mba ho afaka hiatrika ny vokatry loza voajanahary, noho ny fiovan’ny toetr’andro, ny mponina. Ny Sampandraharaha Amerikanina misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID) no hamatsy vola ireo tetikasa ireo.

Hain-tany sy tondra-drano

Voalaza fa eo amin’ny laharana faha-4 no misy an’i Madagasikara amin’ireo firenena eran-tany marefo, manoloana ny fiovan’ny toetr’andro. Hita taratra izany, amin’ny hain-tany miverimberina miseho any Atsimon’i Madagasikara tato anatin’ny folo taona farany, ary koa ny tondra-drano sy ny rivo-doza izay mateti-pitranga any amin’ny tapany Atsimo Atsinanan’ny Nosy. Misy fiantraikany goavana amin’ny fiahiana ara-tsakafon’ny mponina any amin’ireo faritra ireo ireny loza voajanahary ireny. Tombanana hiisa 1 375 000 ireo mponina hiharan’ny tsifanjariantsakafo any amin’ireo faritra roa ireo, mandritra ny vanim-potoanan’ny maitso ahitra, amin’ny taona ho avy.

Manoloana ireo ambana sy loza mitatao amin’ireo mponina maro eto Madagasikara, dia nanambara rtoa Detherage Price Maria, Lefitry ny Mpandrindra ny USAID misahana an’i Afrika, izay mivahiny eto Madagasikara, fa hitondra tohana mitentina 22 100 000 dolara, hanatanterahana ny tetikasa miisa roa, dia ny « Vikina » sy « Harea », ny USAID. Fikambanana eto an-toerana sy avy any ivelany, tarihin’ny Cultivating New Frontiers in Agriculture (CNFA) no hanatanteraka ny tetikasa Vikina, any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, izay handrakotra an’i Farafangana sy Vangaindrano. Ny tetikasa Harea kosa dia hiasa any Amboasary Atsimo, Ambovombe, Antanimora Atsimo, Tsihombe ary Beloha, ka ny Catholic Relief Services (CRS) no mitarika ny vondrona hanatantareka izany.

Fiahiana ara-tsakafo

Hifantoka amin’ny fahaizana miatrika ambana sy ny fiahiana ara-tsakafo eto Madagasikara ireo tetikasa ireo, no sady ho fanamafisana ny fanohanan’ny vahoaka amerikanina ny vahoaka malagasy, araka ny nambaran-drtoa Detherage Price Maria, nandritra ny fihaonany tamin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. “Hatramin’ny taona 1984, ny governemanta amerikanina, tamin’ny alalan’ny USAID, dia loha-laharana tamin’ny ezaka fampandrosoana sy fitondrana fanampiana noho ny hamehana ho an’i Madagasikara. Mahazo matoky ianareo, fa ny vahoaka amerikanina dia hanohy hanohana hatrany ny vahoaka malagasy.”, hoy ny Lefitry ny Mpandrindra ny USAID misahana an’i Afrika.

Tato anatin’ny dimy taona farany moa dia mitentina 787 000 000 dolara ny fanampiana nomen’ny USAID an’i Madagasikara, ka ny 253 000 0000 dolara amin’io dia nampiasaina teo amin’ny sehatry ny fahasalamana. I Etazonia, hatreto, no mpamatsy vola lehibe indrindra an’i Madagasikara, eo amin’io sehatra io.

Lire la suite

Articles Similaires