• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Faritra Sava sy Diana : Fianakaviana 1 050 nisitraka fanampiana taorian’ny rivodoza Gamane

14/11/2024 15:40 © Moov

Nisitraka fanampiana sy tohana avy amin’ny Bureau National des Gestions des Risques et des Catastrophes (BNGRC) indray ny mponina tao amin’ny faritra Sava sy Diana. Natao indrindra izany hanarenana ny fiainan’ireo mponina sahirana taorian’ny rivodoza Gamane. Raha ny tatitr’ity sampan-draharaham-panjakana ity mantsy dia mbola maro ireo fianakaviana marefo sy mbola sahirana ka mila tantsoroka. Vokatr’izany, fianakaviana miisa 1 050 no nisitraka fanampiana tao anatin’izany.

Nofy ratsy

Azo sokajiana ho nofy ratsy ho an’ny mponina any an-toerana iny rivo-doza farany ho an’ny taona 2023-2024 iny. Hatramin’izao fotoana izao mantsy dia mbola maro ireo tsy mety tafarina vokatry ny takaitra navelany. Mbola maro amin’ireo trano simba no tsy tafarina noho ny tsy fisian’ny enti-manana hanamboarana izany,etsy andaniny, maro amin’ireo tanimbary sy tanimboly tototry ny fasika no tsy azo ambolena intsony. Noho izany dia fianakaviana 700 avy amin’ny kaominina 4 no nisitraka izany tao amin’ny faritra SAVA. Isan’izany ny kaominina Sambava Antampontanana sy Marojala ao anatin’ny Distrikan’i Sambava, ny kaominina Andrafaikona sy Milanoa kosa ho an’ny Distrikan’i Vohemar. Fianakaviana 350 kosa no nisitraka izany tamin’ny alalan’ny fanatanterahana ny asa natakalo sakafo tao amin’ny Distrikan’Ambilobe faritra Diana. Nahafahan’izy ireo sady nanamboatra lalan-kely no nanadio ireo lakandrano ho fiomanana sahady amin’ny fiavian’ny taom-pahavaratra 20242025 izany. Kaominina 5 no nanatanterahana izany dia ny kaominina Mantaly, Apondralava, Anjiabe, Ambodibonara ary ny kaominina Ambilobe Antampontanana.

Fanampiana

Fanampiana ara-tsakafo no tena nibahana tamin’ny tolotra ho an’ireto Kaominina miisa 9 ireto. Mitentina hatramin’ny 33 taonina sy 600 kg ireo tohana ireo. Raha ny fanazavana hatrany dia avy amin’ny Governemanta Maorisiana sy avy amin’ny Governemanta Filipianina ireto nozaraina ireto. Nanamafy ny BNGRC fa manamarina ny fanambin’izy ireo amin’ny tsy maintsy hahatongavan’ny fanampiana amin’ireo marefo tena mila izany ity fizarana tohana ity. Ankoatra izany moa amin’izao fotoana izao dia efa miomana sahady amin’ny fiatrehana ny taom-pahavaratra indray ny BNGRC sy ny faritra rehetra.

Lire la suite

Articles Similaires