Fotodrafitrasa : Miampy 11 indray ny lalana hokojakojaina eto Antananarivo
Ankoatra ny fanamboaran-dalana izay efa mandeha amin’izao fotoana izao eto Antananarivo dia hiampy 11 indray ireo lalana ilaina fikojakojana. Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Minisitra omaly alarobia 13 novambra ireo lalana ho asiam-pijerevana ireo indray. Samy ahitana izay fahasimbana sy fahasarotana amin’ny fampiasana azy izay avokoa ireo lalana 11 vaovao ireo.
Ato anatin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra
Anisan’ny nankatoavina tamin’ity filan-kevitra ity ny fikojakojana indray ny lalana ao anatin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra miisa 5. Tafiditra ao anatin’izany ny Sampanana Ampasampito hatramin'ny sampanana Andraisoro izay tery sady misy lavadavaka. Eo ihany koa ny eo amin’ny Sampanana Immeuble FOFIFA # Andraisoro makany amin'ny poste de Police Ambatomaro. Ny eo anelanelan'ny Shell Ankadievo sy sampanana lavoloha sy ny eo amin’ny Chamsul Behoririka, Magro makany Antanimena. Ireo rehetra ireo izay azo lazaina ho mitovitovy avokoa ny olana dia ny lavadavaka eny amin’ny arabe. Marihina fa tena miteraka olana ho an’ny mpampiasa lalana avokoa izany indrindra rehefa fotoan’ny orana ka miteraka fitohanana mahery vaika. Mbola isan’ny ho kojakojaina ihany koa anefa ny asa fanamboarana ireo lavaka eo Mandroseza. Araka io tatitry ny filan-kevitry ny Ministra io hatrany dia vatsian'ny tahirim-bola ho an'ny lalana ity asa fikojakojana ity.
Eto Antananarivo sy ny manodidina
Ankoatra ireo lalana ahitana fahasimbana ao anatin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia hojerena manokana ihany koa ny lalana manodidina an’Antananarivo. Mbola vatsian’ny tahirim-bola ho an’ny lalana hatrany izany. Hizara roa mazava tsara ny asa ka tafiditra ao anatin’ny tapany voalohany ny tapany voalohany ny asa fanamboarana ny lalana Amboniloha sy fanajariana ny lalana mampitohy ny rond-point Alarobia, rond-point Tsarasaotra ary Ambodifasina. Eo ihany koa ny asa fikojakojana ny lalana Analakely manodidina ny Firaisana sy Ambohijatovo ary ny tetezan'ny Mandroseza Ankadindratombo # Station Jirama Ankadindratombo – ary ny Rond-Point Ambohimanambola. Tafiditra ao anatin’ny tapany faharoa kosa ny Sampanana Besarety (Arrêt Ambodimanga) # fiakarana HOMI-Ampasapito (Arrêt 123). Miampy ny eo Ampasapito # Ampandrianomby – Mausolée ary ny asa fikojakojana ny lalana Ankatso-Antsahamamy.