• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ministeran'Ny Foloalindahy
Image
Vaovao

Fiaraha-miasa ara-tafika : Manamafy ny fiaraha-miasany amin’ny Egipta ny Tafika Malagasy

14/11/2024 10:51 © Moov

Egipta sy Madagasikara. Manamafy ny fiaraha-miasany izy ireo, raha ny tatitry ny fihaonana teo amin’ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin Minisitry ny Foloalindahy sy ny Général de Brigade Mohamed Abdelsadek Abdelgil Farg Attaché de Défense Egiptianina. Ity farany izay tonga teny amin'ny toeram-piasan’ny Minisitra Malagasy teny Ampahibe. Nivoitra nanadritra io fihaonana io ny mety ho fomba fisehon’ny fiaraha-miasa indray.

Fampiofanana miaramila

Amin’ny maha-firenena mbola andalam-pandrosoana an’i Madagasikara indrindra dia mbola maro ny ezaka tokony hatao. Ansian’ny handray anjara amin’izany ity fiaraha-miasa ara-tafika amin’ny Egipta ity. Nanamafy ny fahavononany i Egipta, hiara-hiasa ara-tafika amin'ny Firenena Malagasy. Hiompana betsaka amin'ny fampiofanana ny miaramila Malagasy amin'ny sehatr'asa maro io asa hiarahana manao io. Tanjona amin’izany ny hampitomboina ny fahaiza manao sy hanomezana teknika amin'ny lafin'ny fiarovana ireo tafika Malagasy. Araka izany, tsy voatery handeha any ivelany intsony ny miaramila Malagasy fa tafiditra ao anatin'ny vinan'asa ho entin'ny Tafika Egiptianina ny handefa miaramila manam-pahaizana eto Madagasikara hizara ny traikefany. Raha tsiahivina mantsy dia matetika ny tafika Malagasy no mandefa mpiofana any ivelany toa an’i France, Japon, Chine sy ny maro hafa. Ho amin’ity fiaraha-miasa amin’ny Egipta ity araka izany dia izy ireo indray no hirotsaka an-tsehatra handeha aty Madagasikara.

Fisokafana amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena

Nanamafy ihany koa ny Minisitry ny Foloalindahy fa misokatra amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena rehetra ny Tafika Malagasy. Vonona hatrany hitarika amin'ny fivoarana sy fampandrosoana ho an'ny tsirairay ny tafika raha ny fanambarana. Anisan’ny zava-dehibe ihany koa ity fiaraha-miasa amin’ny Egipta ity. Raha ny filaharana farany izay navoakan’ny « Global Fire Power » mantsy dia isan’ny tafika matanjaka indrindra aty Afrika izy raha faha-15 eo amin’ny laharana iraisam-pirenena. Raha laharana faha-30 kosa no ahitana ny tafika Malagasy. Heverina hitondra fampivoarana ho an’ny tafika Malagasy araka izany io fifandraisana io. Tsara moa ny manamarika fa i Madagasikara sy i Egipta dia efa ela no niara-niasa, ankoatra ny lafiny ara-tafika dia eo ihany koa ny varotra sy ny indostrian’ny sakafo ary ny fandraharahana.

Lire la suite

Articles Similaires