Ivandrika – Farafangana : Tokantrano miisa 605 no rava tanteraka vokatry ny fahamaizana
Trano aman-jatony no simba tanteraka. Raha ny tatitra farany izay voaray avy amin’ny Governoran’ny Faritra Atsimo Atsinanana dia miisa 605 ny tokantrano may tsy nisy azo noraisina vokatry ny fahamaizana izay niseho tao Ivandrika. Ny 14 amin’ireo kosa no tranobe. Raha tsiahivina dia nisehoana hain-trano mahery vaika tao amin’ny Kaominina Ivandrika ao amin’ny Distrikan’i Farafangana ny talata 12 novambra maraina teo.
Traboina miisa 3 025
Afo tsy voatandrina avy tamina tokantrano iray no fototry ny haitrano, manampy trotraka anefa ny hafanana maina sy ny rivotra mafy satria mifanakaiky loatra ireo trano falafa mitafo ravinala ka sarotra ny famonjena. Na dia teo aza anefa ny fifanomezan-tanana tamin’ny famonoana ny afo dia azo lazaina ho nandravarava ihany ny afo. Tao anatin’ireo tokantrano may ireo dia olona miisa 3 025 no traboina amin’izao fotoana izao. Ahitana zaza amam-behivavy. Etsy ankilany kosa anefa dia tsy nisy ny maty ary tsy nisy ihany koa ny maratra. Ny ankamaroan’ireo olona rehetra ireo, azo lazaina ho ny 98% dia simba trano avokoa ka tsy misy manan-kialofana, raha ny tatitra hatrany.
Voin-kava mahatratra
Manoloana izany loza mihatra amin’ireo mponina any Ivandrika ireo dia misy ny fifanomezan-tanana ho azy ireo. Ao anatin’izany ny fanangonana izay voatsirambin’ny tanana hamonjena azy ireo. Efa mandeha ihany koa ny fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana. Tao anatin’izany ny vary, fitaovana andakozia sy kojakoja toy ny vilany, siny, zerikan, zinga, koveta, teo ihany koa ireo fitaovam-pianarana sy ireo maro samihafa ilain’ireo mponina maika. Efa nanomboka ny talata teo ihany koa ny hetsika nataon'ny Fitondram-panjakana tany an-toerana indrindra ny nametrahana ny Ivon-toeram-pibaikona ny fitantanana ny vokatry ny loza (Centre Regional de Commandements des Opérations). Hatao indrindra izany mba handrindrana ny fanampiana ireo traboina vokatr’io hain-trano io. Nanamafy moa ny Minisitry ny Fitsarana, sady minisitra mpiahy ny Faritra Atsimo Atsinanana fa tsy lavitry ny Fitondram-panjakana foibe, ireo mponina any Ivandrika, ka izay no nahatonga azy ireo tonga nitondra ny fanampiana.