Governemanta malagasy sy ny fiangonana katôlika : Nanamafy ny fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana
Mandray anjara goavana amin'ny asa fampandrosoana, ny fiangonana. Nivoitra izany, nandritra ny dinika nifanaovan'ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika sy ny Nonce Apostolika eto Madagasikara, Mgr Tomasz Grysa, teny Anosy, omaly 13 novambra 2024.
Fifandraisana ara-diplaomatika
Nanomboka ny 27 aogositra 1966 no efa nisy fifandraisana ara-diplaomatika teo amin'i Madagasikara sy i Vatican. Araka ny antontan'isa hita ao amin'ny tranonkalan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara (CEM), dia niisa 9.072.428 ny mpino katôlika teto Madagasikara tamin'ny taona 2023.
Nandritra ny fihaonany tamin'ny Mgr Tomasz Grysa, dia nitondra ny teny fisaoran'ny Governemanta malagasy ny minisitra Rasata Rafaravavitafika, ny amin’ny fahavononan’ny fiangonana katolika miady amin’ny fahantrana sy amin’ny tsy fitovian-jo ara-tsosialy, ho fitsinjovana ny zon’ny fianakaviana marefo. Tafiditra ao anatin’izany ny vehivavy, ny ankizy, ary ireo vitsy an’isa izay voailiky ny fiarahamonina.
Fampandrosoana ny fiarahamonina
Mitondra anjara biriky betsaka eo amin'ny sehatra ara-tsôsialy eto Madagasikara tokoa ny Eglizy katôlika, ka isan'ny nasongadin'ny Minisitra, ny fandraisan'ny fiangonana katolika anjara amin'ny fampandrosoana ny fiarahamonina, amin’ny fanohanany ny sehatry ny fampianarana sy ny fahasalamana. « Ny fisian’ny toeram-pampianarana sy ireo toeram-pitsaboana tarihin’ireo tomponandraiki-piangonana dia mariky ny fitsinjovana manokana ireo vahoaka madinika », hoy ny Rtoa Rasata Rafaravavitafika.
Raha tsiahivina dia ny 18 janoary 2023 no nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara, tamin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny Nonce Apostolika, Mgr Tomasz Grysa. Tamin’izany no nanambaran’ity farany fa vonona hatrany ny Fiketrahana Masina, hanamafy sy hanatsara ny fiaraha-miasa amin'ny Firenena malagasy, sy hifanome tanana amin'ny Fitondram-panjakana amin'ny fanatanterahana ireo ezaka amin’ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Ho fanamafisana izany fiaraha-miasa sy fifanohanana eo amin’ny roa tonta izany, ity fihaonana teo amin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Nonce Apostolika omaly ity.