• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Aplem
Image
Vaovao

Boky Mitety Vohitra : Ankizy 4 742 isa no nisitraka ny tetikasa, tao anatin’ny herintaona

13/11/2024 15:59 © Moov.Mg

Liana amin’ny vaky boky ny ankizy malagasy ! Porofon’izany ny habetsak’ireo ankizy nandray anjara tao anatin’iny tetikasa Boky Mitety Vohitra, karakarain’ny fikambanana APLEM (Association pour la Promotion du Livre et l’Ecrit à Madagascar), izay vao nifarana tamin’ny volana ôktôbra lasa teo.

Misy tsy mandia sekoly

Nitsidika Fokontany miisa 4 teto Antananarivo ny fikambanana, teo anelanelan’ny volana novambra 2023 hatramin’ny volana ôktôbra 2024, ka fotoam-pamakiana boky miisa 48 no vita nandritra izany. Raha atotaly dia ankizy 4 742 isa no afaka namaky boky tao anatin’ity tetikasa Boky Mitety Vohitra ity, nandritra io fe-potoana io, ka ny 43% amin’ireo dia ankizy tsy mandia varavaran-tsekoly raha 57% kosa no mianatra. Momba ny famakiana boky nomerika sy boky henoina kosa dia nahatratra 2 408 isa ireo ankizy voakasika. Tsy ny ankizy ihany akory, fa ny olon-dehibe sy ny tanora ihany koa dia nisitraka ity tetikasa ity, ka 611 isa izy ireo no voaentana tamin’ny famakiam-boky ary 878 no nandray anjara tamin’ny famakiam-boky, tao anatin’ny tetikasa Boky Mitety Vohitra.

Manovo fahalalana

Ny APLEM moa dia fikambanana miompana amin’ny fanomezana fahafahana ny ankizy malagasy hamaky boky, sy mandrisika azy ireo hanovo fahalalana amin’ny alalan’ny vaky boky. Araka izany, tsy mifarana hatreo akory ny tetikasa tanterahin’ny fikambanana, fa amin’ity volana novambra ity ihany dia efa hanomboka ny tetikasa vaovao, tohanan’ny « Fondation Illis Monaco », momba izay fampisitrahana vaky boky ny ankizy izay hatrany. Isan’ny manohana ny APLEM ihany koa ny fikambanana « Le livre aux mille zébus » sy ny « Solidarité Avec Madagascar », fiaraha-miasa efa naharitra 5 taona izao.

Lire la suite

Articles Similaires