• Cours de change
  • 5135.9 AR
  • |
  • $4425.24 AR
Copyright Image : © Psi
Image
Vaovao

Ady amin’ny tazomoka : Mizara lay misy odimoka sy manondraka ranom-panafody ny ministeran’ny Fahasalamana

13/11/2024 12:53 © Moov.Mg

Nahitana trangan’aretina tazomoka voamarina niisa 2,8 tapitrisa teto Madagasikara, tamin’ny taona 2023. Antom-pahafatesana fahatelo ity aretina ity eto amintsika, raha ny hita eny anivon’ny hôpitaly. Fomba tsotra anefa dia efa ahafahana miaro tena aminy, dia ny fampiasana lay misy odimoka.

Maharitra 3 taona

Isaky ny 3 taona ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara no mizara lay. Misy fanafody mamono sy mandroaka ny moka ity karazana lay zaraina maimaim-poana ity, ary maharitra 3 taona ny heriny, raha toa ka voakojakoja tsara, araka ny fanazavan’ny talen'ny ady amin'ny areti-mifindra eo anivon’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamino Brusa. Efa nanomboka ny 26 ôktôbra lasa teo no nisy ny fizarana lay misy odimoka, ka Distrika miisa 74 no hisitraka izany, ho an’izao andiany voalohany izao, ary Faritra 19 manerana ny Nosy no voakasika. Tanjon’izao hetsika izao ny mba hiarovana ny mpianakavy tsy ho voan’ny tazomoka, mandritra ny 03 taona manaraka. Arahina fanentanana sy fampianarana amin’ny fampiasana ny lay, ny hetsika fizarana, mba tena hanaraka tsara ireo fepetra fiarovana ny mponina.

Famafazana ranom-panafody

Etsy an-daniny, misy ihany koa ny hetsika famafazana ranom-panafody atao any amin’ny Distrika sasany, toy ny any amin’ny Distrikan’Ivohibe, Isandra, Ikalamavony ary Ankazoabo Atsimo, ao anatin’ilay atao hoe : Campagne d'Aspersion Intra-Domiciliaire (CAID). Ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny USAID PMI, izay mpiara miombon'antoka aminy, no mifandrimbona amin’ny fanatanterahana izany asa famafazana ranom-panafody mamono moka izany. Mponina 569 949 isa no hahazo tombontsoa amin’ity hetsika ity ary tokantrano 109 292 no ho voafafy ranom-panafody mamono moka. Nanomboka ny 28 ôktobra 2024 teo ny CAID ary hitohy hatramin’ny 22 novambra 2024. Any amin’reo Distrika 4 ireo, araka ny fantatra, no isan’ny tena mbola ambony ny tahan'ny tazomoka, raha ny eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires