• Cours de change
  • 5135.9 AR
  • |
  • $4425.24 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Finoana katôlika : Mandalo eto Madagasikara ary noraisin’ny Filoha Andry Rajoelina, ny Arsevekan'i Kinshasa

12/11/2024 12:27 © Moov.Mg

Mandalo eto Madagasikara ankehitriny ny Mgr Fridolin Ambongo, Arsevekan'i Kinshasa, sady Filohan'ny SEAM (Symposium des Evêques de l'Afrique et de Madagascar). Nihaona tamin’ny filoha Andry Rajoelina ity lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny fiangonana Katôlika eto Afrika ity, omaly.

Kolontsaina sy sôsialy

Nandritra ny fandraisam-pitenenany voalohany, tamin’ny sabotsy lasa teo, teo anatrehan’ireo Eveka eto Madagasikara, no nilazan’ny Mgr Fridolin Ambongo ny hafaliany, noho ny firoborobon’ny fiangonana katôlika eto Madagasikara. Noderainy manokana, noho izany, ny asa tanterahin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, manomboka amin’ireo olon-tsotra laika mitana andraikitra eo anivon’ny fiangonana, hatramin’ireo Relijiozy, Pretra sy Eveka rehetra. Tao anatin’izany no nanazavan’ny Arsevekan’i Kinshasa ny momba ny fitombon’ny isan’ireo Kristianina aty Afrika, izay manana taha 30%, ka ny 18% amin’ireo no katôlika.

Isan’ny nasongadin’ity Arseveka ity ihany koa ny fananan’i Madagasikara kolontsaina miavaka sy maro karazana. Tokony hotsaroana mandrakariva izany ary tokony atao mifanaraka amin’izany ny fampitana ny hafatra avy amin’ny Evanjely, hoy izy. Namporisihin’ny Mgr Fridolin Ambongo mihitsy ireo mpitondra fivavahana eo anivon’ny fiangonana katôlika eto Madagasikara, mba hampiditra ny endrika sasany isehoan’ny kolontsaina malagasy, ho ao anatin’ny fampianaran’ny Eglizy. Etsy an-daniny, notsiahiviny fa tsy afa-miala amin’ny fitadiavam-bahaolana manoloana ireo olana ara-tsôsialy misy eto Madagasikara ny fiangonana, toy ny fahantrana, ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny rariny ara-tsôsialy, ny fiarovana ireo olona voailika sy tsy afaka maneho hevitra… Izany dia mba hananana fiarahamonina mampiaty sy anjakan’ny fitoviana.

Fiaraha-miasa amin'ny Eglizy Katolika

Omaly 11 novambra 2024, dia noraisin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, teny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra, ny Mgr Fridolin Ambongo, niaraka tamin'ny Kardinaly Mgr Desiré Tsarahazana, Arsevekan’i Toamasina, sy ny Mgr Fabien Raharilamboniaina, Filohan’ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara. « Fotoana nanamafisako ny fiaraha-miasa amin'ny Eglizy Katolika eto Madagasikara izao, ary nisaorako azy ireo tamin'ny asa rehetra izay tanterahiny ho an’ity Nosy malalantsika ity, eo amin’ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fiarovana ny tontolo iainana, fa indrindra eo amin’ny fitaizana ara-panahy », hoy ny filoha.

Efa nanolotra lamesa teny amin’ny paroasy Antanimena moa ny Mgr Fridolin Ambongo, tamin’ny alahady lasa teo. Hisy lamesa hotarihiny ihany koa, eny amin’ny Masera Klarisy Soavimbahoaka, androany talata 12 novambra 2024, amin’ny 4 ora sy 30 mn. Ny alahady 17 novambra 2024, dia hiara-hiombom-bavaka any amin’ny paroasy Padre Pio Ambonara, Nosy Be Hell-ville, ity Arsevekan'i Kinshasa ity.

Lire la suite

Articles Similaires