• Cours de change
  • 5115.92 AR
  • |
  • $4427.37 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nanamarika ny 4 hatramin'ny 10 novambra 2O24

11/11/2024 00:05 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nisongadina ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 4 novambra hatramin'ny alahady 10 novambra

CNAPS # Miakatra ny vola arisin'ireo beantitra

Fahombiazana ny fampidirana ny "digitalisation" teo anivon'ny CNAPS. Tombontsoa azo avy amin'izany fanatsarana sy fanavaozana izany ny fanafainganana ny asa sy ny fanamaivanana ny filaharana mifandraika amin'ny tolotra ara-piahiana ara-tsosialy. Saika vehivavy bevohoka/ mitaizakely sy beantitra mantsy no tena mpivezivezy eny amin'ny CNAPS. Ankoatra ireo tolotra vaovao dia hiakatra 25% mifanila amin'ny karama farany ambany ny fisotroan-dronono ho an'ny zokiolona 80 taona no mihoatra. Ho an'ireo mananon-tena izay mbola miasa dia niakatra 30% ny "pension de veuvage" raisin'izy ireo, ho an'ireo tsy an'asa kosa dia nampiakarina 50% izany. Nisy lanonan-dehibe natrehin'ny filohan'ny Repoblika ny 7 novambra lasa teo.

Iavoloha # Masoivoho miisa 2 nanolotra ny taratasy fiasany

Mitohy ary mihatsara hatrany ny fifandraisan'i Madagasikara amin'ireo firenena vahiny. Ny alarobia 6 novambra lasa teo, nandray ny taratasy manendry ny Masoivoho vaovaon'i Hongrie eto Madagasikara, Andriamatoa Attila György Horvath, sy ny Masoivoho vaovaon'i Angola, Andriamatoa Rui Orlando Ferreira De Ceita Da Silva Xavier, ny filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina. Anisan'ny seha-piaraha-miasa noresahana tamin'ny Masoivohon'i Hongrie ny fampiroboroboana ny fambolena, ny fanadiovana rano sy ny fanomezana vatsim-pianarana ho an'ireo mpianatra malagasy maniry hanohy fianarana any Hongrie. Mihamafy kosa ny fanohanan'i Angola an'i Madagasikara eo amin'ny lafiny angovo, ny fizahantany, ny fambolena sy ny fifanakalozana ara-barotra.

Paris # Nandray anjara tamin'ny "Salon du Chocolat" i Madagasikara

Kaoperativa mpamboly kakao, mpanodina ny vokatra kakao, mpanondrana kakao sy sokola dia samy nandray anjara tamin’ny “Salon du chocolat” tany Paris.Anatin’ny politikan’ny Ministera misahana ny Indostria sy ny Varotra ny fampiroboroboana ny fanondranana ny vokatra mankany ivelany. Manosika sy mampirisika ny sehatra tsy miankina hivarotra sy hampiranty ny vokany amin’ireny hetsika iraisam-pirenena ireny izy, araka izany.
Torolalana avy amin’ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) sy fiaraha-miasa tamin’ny Filankevitra Nasionaly momba ny Kakao (CNC) ary ny Tetikasa PADEIR vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola no nahafahana nitondra ny kakao sy sokola malagasy tany Paris. Nifarimbonan’ny solontenam-panjakana sy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina ny fandraisana ireo liana tamin’ny vokatsika. Mendrika ny tranohevantsika sy ny vokatra avy eto Madagasikara izay tsara kalitao tokoa.

Antananarivo # Mitohy ny famatsian-drano

Tao anatin'ny 21 niasan'ny Centre Opérationnel Rano (COR), nahatratra 26 000 m3 ny fitambaran’ny rano nozaraina, izany dia vokatry ny fifanoemzan-tanan'ireo mpiasam-panjakana sivily sy miaramila miisa 665 ary ny fampiasana ireo fitaovana manara-penitra izay nahitana kamiao miisa 42 sy motopaompy 11. Ireo ezaka ireo dia nahafahana namaly ny fanatsarana ny famatsiana rano fisotro madio ho an’ny mponina ary nitondra fitoniana ara-tsosialy teto Antananarivo sy ny manodidina. 200 m3 ny habetsahan’ny rano nozaraina tamin'ny voalohany, ary nitombo hatrany amin'ny 1 436 m3 izany. Mpiasam-panjakana sivily sy miaramila miisa 665 no
Mitohy hatrany ny asa amin’ny fiantohana ny famatsiana maharitra Rano fisotro madio ho an’ny vahoaka Malagasy izay tanjona napetraky ny Ministeran'ny Rano sy ny Fanadiovana ary ny Fidiovana.

AFT # Fampiratiana sary vavoka mikasika ny fiarandalamby

Nanomboka ny talata 5 novambra ary hifarana ny sabotsy 16 novambra ny fampirantiana sary mikasika ny "Patrimoine ferroviaire" eny amin'ny Alliance Française Andavamamba. Natao izaràna ny tantaran'ny fitaterana an-dalamby teto Madagasikara izany. Mitondra ny taranaka mankany amin'ny vanim-potoana izay tsy hita sy tsy niainany izany fampirantiana izany. Entina mitahiry sy mamantatra ny tantaran'ny tanàna ihany koa.
Fiaraha-miasa teo amin'ny fitaleavana misahana ny vakoka, kolontsaina, ary fiainam-piarahamonina-CUA, sy ny fikambanana Sar'nao, ary ny "Alliance Française" Antananarivo izao hetsika fampirantiana izao.

Ampasapito # Fanadiovana ny tanàna

Nitarika fanadiovana faobe teny Ampasapito ny ekipan'ny CUA sy ny SMA. Ireo mpivarotra teny an-toerana no tena nandray anjara tamin'izany. Mirefy 300 metatra ny lakandrano voadio, ka nesorina ny fotaka, ny fako plastika, sy ny vorodamba. Manentsina sy manamaimbo ny tatatra mantsy ireo loto ireo. Natao izany mba hampadio ny tanàna fa indrindra ho fitsinjovana ny olona miandry bus teo amin'ny "arrêt 23" sy ny manodidina. Samy mahatsapa ireo mpivarotra, indrindra ireo mpanao hani-masaka, fa tsy tokony hanariana fako ny tatatra, indrindra ireo rano misy vetin-kanina. Entanina ny rehetra samy hanadio ny manodidina azy, indrindra amin'izao vanim-potoanan'ny fahavaratra izao.

Farafangana # Tafapetraka ny "Complexe de pêche"

Iray amin'ireo Distrika Nahazo Tombony ny ao Farafangana nohon'ny fahavitan'ny "Complexe de Pêche" ao an-toerana . Foto-drafitrasa izay entina hampivoarana Sy hampandrosoana ny tanana Sy hampiroboroboana ny sehatry ny Jono. Zava-dehibe ny fananana azy ity satria Tsy misy intsony ireo trondro very fa afaka atao ny mitahiry azy ao anatiny. Nitsidika izany teny an-toerana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga Atoa Mahatante Paubert sy ireo Tompon'andraikitra ambony eny ifotony. Vokatra madio, mahasalama sady voakarakara tsara no atolotra ho an'ireo mpanjifa rehetra ao Farafangana sy ao amin'ny faritra Atsimo Atsinanana manontolo.

Toliara # Nisitraka fampiofanana sy fitaovana ireo vehivavy marefo

Nahazo tombony indray ireo vehivavy marefo tao amin'ny CFPF Motombe Toliara. Nisy ny fizarana mari-piofanana sy tosika fanombohana (kits de démarrage) ho an'ireo vehivavy nanaraka fampiofanana mikasika ny taranja fampivoarana ny maha olona (développement personnel), ny fitantanana tsotra na koa « gestion simplifiée », ny fianarana zaitra sy nahandro, ary ny fandrindram-piterahana. Tanjon’izao fampiofanana niarahan'ny METFP ny UNFPA ary ny MPS nisalahy izao ny fanampiana ireo vehivavy niharan’ny herisetra mba hatoky tena, hisokatra sy hifanakalo amin’ny hafa ary haneho hevitra, ny fanomezana azy ireo fototra handraisany an-tanana ny fiainany mba hahaleo tena sy hamorona asa ho an'ny tenany.

Food Ingredients Europe # Hampiratiana any Allemagne ireo vokatra biolojika malagasy

Ho tonga any amin’ny Hetsika FIE any Francfort, hilahatra amin’ireo mpisehatra za-draharaha eo amin’ny indostrian’ny akora ara-tsakafo biolojika sy natoraly maneran-tany ny solontena malagasy, ny 19 hatramin'ny 21 novambra ho avy izao. Ao anatin’ny fivelarany tanteraka ankehitriny ny fambolena biolojika satria nandrakotra tsena mitentina 157 miliara dolara maneran-tany tamin’ny taona 2022 ary mahita fiakarany 12,6% isan-taona hatramin’ny taona 2029. Na mbola tsy mamokatra betsaka aza i Madagasikara raha ampiatahaina amin’ireo firenen-kafa dia miavaka kosa isika eo amin’ny kalitaon’ireo vokatra biolojika toy ny lavanila, jirofo, ylang-ylang, makamba, haricots verts. Tamin’ny taona 2021 dia nandrakotra velaran-tany 112 000 ha, nahakasika mpamokatra 70 000 ary niantoka ny 10%n’ny fanondranana vokatry ny fambolena ny fambolena biolojika.

Sehatra ambanivohitra # Fampiroboroboana ny Fahaleovantenan'ny tanora

Notanterahina ny 07 novambra 2024 tao amin’ny ivon-toeram-piofanana IFFAR # EFTA Ambatobe ny fivoriana stratejika nataon’ny « Plateforme de Coordination Stratégique # Développement Rural ». Nohazavaina nandritra io fotoana io ny lohahevitra momba ny «Ny fampiofanana matihanina, ny fanohanana amin'ny fidirana sy fametrahana ireo y tanora lahy sy vavy hisehatra anatin’ny famokarana: Fampiharana ny FAR sy ny fampaharetana », izay ifantohan’ny paikady ho an’ny fampiroboroboana ny fampiofanana eny amin’ny sehatra ambanivohitra sy ara-pamokarana.
Eto Madagasikara dia manodidina ny 200 ireo ivon-toeram-piofanana ara-pamokarana sy ambanivohitra ary ny 60 amin’ireo dia efa manome fiofanana manokana « formation initiale » ka mampihatra fandaharanasa mikendry ny fanomanana ireo tanora ho mpisehatra matotra eo amin’ny sehatra ara-toekarena sy ara-pamokarana.

Lire la suite

Articles Similaires