Fanarenana lalam-pirenena : Ho vita tsy ho ela ny RNT12A, mampitohy an’i Taolagnaro sy Ebabika
Iankinan’ny fampandrosoana ara-toekarena ny lalana, izay sokajiana ho lalan-dran’ny firenena. Izany indrindra no tanjona amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena RNT12A, mampitohy an’i Taolagnaro sy Ebabika. Nitsidika izany, omaly 7 novambra 2024, ny ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara, Roland Kobia.
Fanamorana ny andavanandron’ny mponina
Nandritra ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Asa Vaventy, Rafidison Richard Théodore, niaraka tamin’ireo solombavambahoaka, omaly, no nanamafisany fa mandeha tsikelikely ny asa fanamboarana sy fanarenana ireo lalam-pirenena eto Madagasikara. Mirefy hatramin’ny 12 000 Km ireo lalam-pirenena mila fanamboarana sy fanarenana ireo. Isan’ny asa efa mandeha ny fanarenana ity lalam-pirenena RNT12A, mampitohy an’i Taolagnaro sy Ebabika ity, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa « PACFC I», fanamboaran-dalana sy fanamorana ny varotra. Mahakasika lalana mirefy 240 km izany tetikasa izany, ka anisan’izany ihany koa ny lalam-pirenena faha-9, izay mampitohy ny seranan-tsambon’i Toliara amin’i Manja.
Tanjon’ny tetikasa « PACFC I» ny fanamorana ny asan’ny mponina amin’ny andavanandro, indrindra ny eo amin’ny lafiny ara-barotra. Eo ihany koa ny fampifandraisana ireo faritra mpamokatra, ary ny fampivoarana ny fizahantany. Miitatra mankany amin’ny fampiroboroboana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ireo nosy hafa eto amin’ny ranomasimbe Indianina ny vokatr’izany.
Fampandrosoana ara-toekarena
Araka izany, ny fahavitan’ireo lalam-pirenena voakasik’ity tetikasa ity dia antoka hampiroborobo ny fiainana ara-toekarena sy ara-tsosialy ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Anôsy, izay isan’ireo Faritra eto Madagasikara mamokatra sy manondrana lavanila, kafe, dipoavatra, letisia ary jirofo. “Mariky ny fandrosoana ny fampifandraisana ireo faritra matanjaka ara-toekarena sy ireo seranan-tsambo. », hoy ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina, nandritra ny fidinana ifotony nataony. Ny Vondrona Eoropeanina sy ny Banky Afrikanina ho an’ny fampandrosoana rahateo no mamatsy vola izao tetikasa fanarenana lalam-pirenena izao, izay mameno ny famatsiambola avy amin’ny kitapom-bolan’ny Fanjakana malagasy.
Tamin’ny taona 2020 no nanomboka ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena RNT12A, ary tokony ho vita tanteraka, tsy ho ela intsony, izany.