• Cours de change
  • 5115.92 AR
  • |
  • $4427.37 AR
Copyright Image : © Bngrc
Image
Vaovao

Antananarivo : Miomana ho amin’ny taom-pahavaratra 2024-2025 ireo kaominina isan-tokony

08/11/2024 13:35 © Moov

Hampihenana ny mety ho takaitran’ny loza voajanahary isan-karazany, izany no tanjon’ny fiomanana sahady amin’ny fihavian’ny taom-pahavaratra amin’izao. Efa manatanteraka asa isan-karazany ny eto Antananarivo Renivohitra ho fiarovana amin’izany. Fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny tetik’asa PRODUIR sy ny BNGRC izany rehetra izany.

Fanazaran-tena ho an’ny kaominina miisa 4

Fanazaran-tena na SIMEX teo anivon’ireo kaominina 04 mpisitraka ny fanohanana ara-bola avy amin’ny tetikasa PRODUIR no notanterahina tamin’izany asa izany. Fokontany miisa 20 ao anatin’ireo kaominina efatra ireo izay voalaza fa marefo amin’ny « ranobe » no nandray anjara. Ao anatin’ireo kaominina 4 ireo ny Kaominina Renivohitr’Antananarivo , kaominina Bemasoandro ; Andranonahoatra ; Anosizato Andrefana. Izany fanazaran-tena izany dia hoentina manomana sahady ny taom-pahavaratra 2024-2025. Nomena fanamafisana fahaiza-manao ireo kaominina 4 ireo amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandidon-doza, nampatsiahivina azy ireo ny andraikitra tokony raisina mialoha, mandritra ary aorian’ny loza, mba ho vonona tsara amin’ny fiatrehana ireo loza voajanahary ho avy. Ankoatra izay dia nisy ny fanofanana ireo komity mpitantana ny loza amin’ny fampiasana ireo fitaovana entina miatrika ny loza. Toy ny fomba fampiasana tronçonneuse, fananganana tente, fampiasana pompe à eau, ny fomba fibatana ireo marary amin’ny brancard sy ny maro hafa. Entina indrindra hamahana ireo olana samihafa mety hitranga mialoha, mandritra ary aorian’ny loza izany.

Fanadiovana

Nametraka tetikady ny PRODUIR ankoatra ireo fampiofanana ireo dia ny fanadiovana ireo toerana sarotra izany. Tafiditra amin’ny fenitra ara-tsôsialy sy ara-tontolo iainana izay himasoan’ny tetikasa PRODUIR ny fanadiovana ireo toerana sarotra idirana eny anivon’ny faritra iasany. Anisan’ny tena nimasoana ny fanesorana ny fako sy tsikafona tao ambanina tetezana maro izay manetsina ny lalan-drano. Miisa valo ireo “points noirs” izay nodiovina sy nosokafana : Anosibe Mandrangobato I, Anosibe Ouest I, Andavamamba Anatihazo II, Andavamamba Anjezika II, Ambodin'Isotry Cité, tetezan’Ambodin’Isotry, Antohomadinika Antsimo, 67Ha Nord-Ouest ary Ankasina. Etsy andaniny moa dia natao asa tanamaro ny fanadiovana tamin'ny faritra sasany.

Lire la suite

Articles Similaires