Sosialy : Nankatoavin’ny Antenimierandoholona ny ny volavolan-dalàna laharana faha-006/2024 ho an’ny ankizivavy sy ny vehivavy
Miandry ny fankatoavan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana sisa dia ho ampiharina eto Madagasikara ny volavolan-dalàna laharana faha-006/2024. Nankatoavin’ny Antenimierandoholona omaly mantsy ny momba ity lalàna ity. Raha marihina dia momba ny fanomezana alalana ny fanaovan-tsonia ny findramam-bola mifandraika amin’ny famatsiam-bola ny tetikasa « Autonomisation et résilience des filles en Afrique de l’Est (EAGER) izy ity. Izay fifanaovan-tsonian’ny Repoblikan’ny Madagasikara amin’ny Association Internationale de Développement izany.
Vola 790 lavitrisa ariary
Ity Volavolan-dalàna ity dia natao mba hampiakarana ny fari-piainan'ny ankizivavy sy ny fidiram-bolan'ny vehivavy hahafahan'izy ireo hizaka tena amin'ny fiainana. Ny zatovovavy (10 ka hatramin’ny 17 taona) sy ny vehivavy (18 ka hatramin’ny 35 taona) no tena hisitraka izany mivantana. Araka izany, ho jerena manokana ny famporisihana ireo ankizivavy hianatra satria tsapa fa maro ny tahan'ny ankizivavy miala an-daharana ka tsy lasa lavitra amin'ny fianarana. Raha ny fanazavana hatrany dia vola mitentina 790 lavitrisa ariary ny totalim-bola ho ampiasaina amin’izany. Minisitera maromaro no miara-misalahy amin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fanatanterahana ity asa ity. Ao anatin’izany ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, ny Minisiteran’ny Mponina sy ny firaisan-kina ary ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa.
Tetikasa miisa efatra
Raha ny tatitra hatrany dia miisa efatra ny tetikasa hositrahin’ny vehivavy ao anatin’izany. Ao ny miompana tanteraka amin’ny fitazonana ny zatovovavy eny an-tsekoly hahavitany ny fianarany. Zatovavy miisa 1 500 000 no hisitraka ny vatsim-pianarana. Anisan’ny tena zava-dehibe ao anatin’izany io famporisihana ireo ankizivavy hianatra io noho ny fahatsapana ny fahavitsian’ny ankizivavy mandeha mianatra. Hisy ihany koa ny fandaharan'asam-pampandrosoana mifototra amin’ny fanabeazana ho an'ny fiainana mirindra (EVH sy ny VBG) ary ny fanohanana ireo sekoly miahy ireo zatovovavy. Marihina moa efa avy nankatoavin’ny Antenimierampirenena ihany koa ity volavolan-dalàna ity ny herinandro lasa teo.