Tontolo iainana : Iharan’ny tsindry isan-karazany ny 49%-n’ny sahona eto Madagasikara
Miharingana hatrany ireo karazan-tsahona maneran-tany, tao anatin’ny 10 taona izao, araka ny nambaran’ireo siantifika. Firenena ahitana karazan-tsahona betsaka i Madagasikara, izay mitaky paikady fiarovana mafonja, satria maro amin’izy ireo no mitady ho lany tamingana.
Manan-danja ho an’ny rohivoahary
Tanterahina ny 7 sy 8 novambra ny « Hetsika ho fiarovana ireo Sahona 2024 » (Festival des amphibiens 2024), ka ny Andasibe Moramanga, Faritra Alaotra Mangoro, no hanaovana azy. Tanjon’ity hetsika ity ny hanomezan-danja ny sahona, izay harena lehibe ho an’ny rohivoahary eto Madagasikara. Araka izany, lohahevitra nosafidiana, voizina mandritra ity hetsika ity ny hoe : “Fikajiana sy fanomezan-danja ny sahona eto Madagasikara, ho an'ny fandrosoana lovainjafy ».
Teto Madagasikara tokoa mantsy no nahitan’ireo mpikaroka ny razamben’ny sahona, izay niaina tany amin’ny 230 tapitrisa taona tany ho any. 6 190 no karazan-tsahona fantatra maneran-tany, ka ny 426 amin’ireo no misy eto Madagasikara. Tsy fahita afa-tsy eto amintsika ny 99% amin’ireo, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Isan’ny mampiavaka ireo karazana sahona tsy manam-paharoa eto Madagasikara, sy mahatalanjona ireo vahiny mitsidika ny nosintsika, ny fahaizany miovaova loko arakaraky ny tranga misy eo amin’ny tontolony.
Karazan-tsahona mpihanaka
Iharan’ny karazana tsindry anefa ny 49% amin’ireo karazana sokatra ireo, toy ny fahasimban’ny toeram-ponenany, ny fanondranana an-tsokosoko, ny fiovan’ny toetr’andro, ny fahalotoan’ny tontolo iainana sy ny fidiran’ny sahona avy any ivelany tonga eto amintsika, toy ny radakaboka, izay karazan-tsahona mpihanaka manimba ny karazanjavamananaina. Ity farany moa dia tena mora miparitaka no sady mameno ny tontolo, satria ny vavin’ny radakaboka iray dia mety hanome atody 10.000 isa, ao anatin’ny fanatodizana indray mandeha monja. Efa nisy ny fandrafetana paikady nasionaly entina mamongotra ity karazana sahona ity, notarihin’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.
Mandritra ny « Hetsika ho fiarovana ireo Sahona 2024 » dia hisy ny fanentanana sy fampahafantarana ny maha-zava-dehibe ny sahona, ho an’ny tontolo iainana eto Madagasikara.