Angovo azo havaozina : Manomboka misitraka herinaratra ny ao ambanivohitr’i Melaky sy Menabe
Fampidirana herinaratra ho an’ny tontolo ambany vohitra. Laharam-pahamehana indrindra izany ho an’ny rehetra. Nisitraka ny ho azy ireo ny tao amin’ny faritra Melaky sy Menabe ny herinandro lasa teo. Tao Morondava no nanatanterahana ny atrikasa fifanakalozana ho an’ny Komitin’ny Jiro teo amin’ireo toerana ambanivohitra anatin’ireo faritra roa ireo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ao anaty « Programme National Barefoot College » (PNBC) ity asa ity.
Herinaratra avy amin’ny « kits solaires »
Fokontany ambanivohitra miisa 6 no namaly ny antso sy tonga nanatrika ny atrikasa nandritra io fotoana io. Raha tsiahivina dia amin’ny karazany maro ny angovo azo havaozina afaka hampiasaina. Ho an’ireto faritra roa ireto kosa dia ny « kits solaires » hatreto no sitrahiny. Efatra amin’ireo fokontany ambanivohitra ireo no misitraka izany. Ao anatiny i Kivalo sy Ambakivao izay hita ao Menabe ary eo ambany fiahian’ny WWF. Misy iray ao Melaky dia i Beanjavilo eo ambany fiahian’ny WWF ihany koa ary iray ao Menabe izay eo ambany fiahian’ny MNP, Ambararata. An-dalam-pikarakarana kosa ny fahazoana ireo fitaovana ho an’ireo 2 hafa eto Menabe, izay eo ambany fiahian'ny WWF, dia ny Fokontany Bosy sy Marohatà. Mbola betsaka ny filàna ho an’ny tontolo ambanivohitra rehetra izay efa mandeha tsikelikely amin’izao fotoana izao.
Fanatsarana sy fanavaozana
Nandritra ny atrikasa izay notanterahina dia nisy ny fijerena vahaolana sy fananganana drafitra (Plan d’action), ary fifanakalozana traikefa teo amin’ireo mpikambana. Tanjon’izany ny hoenti-manatsara hatrany ny ho avy. Ny 30 sy 31 Oktobra ary ny 1 Novambra 2024 kosa dia nitohy ny fidinana ifotony teto amin’ny Fokontanin’i Kivalo. Nisy ny fanentanana ny vahoaka amin’ny fikajiana ireo fitaovana, handoa ara-dalàna ny vidin-jiro, ary hampiasa ireo fitaovana araka ny tokony ho izy. Zava-dehibe indrindra ho an’ny tombontsoan’ny ho avy rahateo ny fikajiana izany. Ankoatra izany rehetra izany moa dia nisy ny fifampizaràna sy fanamafisana traikefa teo amin'ireo " Femmes Ingénieures solaires » (FIS) izay natao teto Kivalo ihany. Nisy ihany koa ny fanadihadiana notanterahina teny anivon'ny tokantrano tsirairay.