• Cours de change
  • 5079.39 AR
  • |
  • $4431.7 AR
Copyright Image : © Drae Menabe
Image
Vaovao

Fihariana : Nitombo avo roa heny ny tantsaha miditra amin’ny findramam-bola amin’ny banky

04/11/2024 16:39 © Moov

Manomboka mirisika amin’ny findramam-bola eny amin'ny banky ny tantsaha amin’izao fotoana izao. Noho ny fahasahiranana sy ny filàna miha-mitombo amin’ny fambolena sy ny fiompiana no tena anton’izany. Raha ny fanazavan’ity Tompon’andraikitra ao amin’ny Banky iray eto andrenivohitra ity dia nitombo hatramin’ny avo roa heny noho ny teo aloha mihitsy ny tantsaha mindrana vola amin’izao.

Sehatra manomboka raisin’ny Fitondram-panjakana ho laharam-pahamehana rahateo ny fambolena sy ny fiompiana. Raha tsiahivina dia tafiditra ao anatin’ny teti-bolan’ny Firenena ho an’ny taona 2025 ny fambolena. Araka izany, afaka manana anjara amin’ny fampiroboroboana izany ny tsirairay, indrindra fa ireo mpisehatra eny ifotony. Manomboka maro ihany koa ny tantsaha mametraka vola any amin’ny banky ka hahafahany manana antoka. Ity farany izay tafiditra anatin’ny antony tsy nindraman’izy ireo vola teo aloha teo.

Olan’ny fitantanana

Mila vola ny fambolena sy ny fiompiana. Ao anatin’izany ny fividianana ireo kojakoja ilaina rehetra, fitaovana sy ny zezika na ny hanam-pamokarana samihafa. Misedra olana anefa ireo tantsaha ireo ka izay no tsy mandrisika azy ireo amin’ny findramam-bola. Voalohany indrindra amin’izany olana izany ny tsy fahaizana mitantanana ary eo ihany koa ny fahalafosan’ny zana-bola. « Rehefa hay ny mitantana ny vola izay mety hoe hindramina dia tsy olana ny famerenana azy. Marina fa lafo ny zana-bola saingy mila hay ny fomba fitantanana ny famatsiana », hoy ny Tompon’andraikitry ny Banky iray. Amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavana dia tsy ampy fahalalana ny tantsaha ka manakana azy ireo amin’ny findramam-bola izany. Ao anatin’izany ny tsy fahafantarana ny « business plan » na ny fomba mahomby hitondrany ny vola miditra ao aminy. Tanjona amin’izay fotoana izay mba tsy ho lanilany foana ny vola. Mila vola hanombohana sy hampiroboroboana ny asany anefa izy ireo ka anisan’ny tokony hampahafantarina azy ireo mialoha izany rehetra izany. Ny fahafantarana izany rehetra no mety hampirisika azy ireo amin’ny fitadiavana vola.

Lire la suite

Articles Similaires