Fiarovana harem-bakoka : Hisokatra ny fanadihadiana ny amin’ny fikasana handoro ny Rovan’i Madagasikara
Nahitana firehetana teny amin’ny tambohon’ny Colisée Rova Manjakamiadana ny herinandro lasa teo. Ahiahiana ho fikasana handoro indray ny Rova no anton’izany raha ny fanambarana avy ao amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny kolontsaina. Araka izany, hisokatra ny fanadihadiana ny amin’izay mety ho nanao izany asa ratsy izany. Marihina moa fa mbola teo amin’ny manodidina ny Rova no nahitana ny firehetana ka nanamora ny fifehezana azy.
Hamafisina ny fiarovana
Ho fiarovana ny harem-bakoka toy ity Rovan’i Madagasikara ity dia nisy ny fepetra noraisina maika. « Marina fa misy ny fiarovana efa mipetraka saingy tsy maintsy hamafisina izany mba hahafahana miaro hatramin’ny farany ity harem-bakoka ity », hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrasoava Fetra. Araka izany, hiara-hiasa amin’ny Sampana miady amin’ny hosoka sy ny fiarovana ny harem-bakoka (brigade anti-piratage BAP) ny Polisim-pirenena sy ny Zandary. Notapahina niaraka teny ny hanamafisana ny fiarovana amin'ny lafiny rehetra ny manodidina ny Rovan'i Madagasikara, mba tsy hampiasan'olona ny fanapotehina ny harembakoka fananana iombonana amin'ny resaka hafa. Ao anatin’izany dia tsy ity Rova ity irery no hamafisina ny fiarovana azy. Ao anatin’izany ihany koa ny rova rehetra sy ny harem-bakoka rehetra.
Fiaraha-mientana
Raha tsiahivina, tamin’ny 6 ora hariva tany ho any no nitrangan’ny afo ary teo ho eo amin’ny tamin’ny 8 ora alina teo no voafehy izany. Vokatry ny fiaraha-mientan’ny rehetra izany fahombiazana izany. Niara-nisalahy tamin’izany ny teo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Talen'ny Ofisin'ny Rovan'i Madagasikara, ny Mpandrindra ny BAP, ny teo anivon'ny FDS, izay nisy ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika, ny Komandin'ny Zandarimaria, ny Tale Jeneralin'ny Polisy, ny teo anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny mpamonjy voina ary ny fokontany. Tsy fantatra moa ny nihavian'ny afo ary izao efa mitohy izao ny fanadihadiana.