• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Tetibolam-panjakana 2025 : Fambolena, herinaratra ary ny fotodrafitrasa no laharam-pahamehana

30/10/2024 11:46 © Moov

Nanatanteraka filan-kevitry ny Minisitra manokana teny Iavoloha ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta omaly.

Niompana betsaka tamin’ny fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola 2025 izany. Lany araka izany io volavolan-dalàna io izay niompana betsaka amin’ireo sehatra mipàka betsaka amin’ny fiainan’ny vahoaka. Raha ny tatitra tamin’ireo filan-kevitry ny Minisitra io dia nanamarika ny Filoham-pirenena fa sehatra telo no ho laharam-pahamehana ao anatin’ity tetibolam-panjakana ity.

Sehatry ny fambolena

Anisan’ny manomboka raisina ho laharam-pahamehana amin’izao fotoana izao ny sehatry ny fambolena ka izany indrindra no nametrahana azy ho zava-dehibe ato anatin’ity tetibola ity. Tanjona amin’izany ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny famerenana an’ny Madagasikara ho sompitry ny Ranomasim-be Indianina, raha io tatitra io hatrany. Anisan’ny asa ilaina vola ao anatin’izany ny fanapariahana ny voly vary safiotra sy ny fampitomboana ny masomboly ho an’ny tantsaha. Eo ihany koa ny fananganana ozinina mpampokatra zezika.

Sehatry ny herinaratra

Mbola anisan’ny noraisina ho laharam-pahamehana ao anatin’io tetibola 2025 io ihany koa ny famahana ny olan’ny herinaratra. Anisan’ny asa ho tanterahina ny fanavaozana ireo toerana mpamokatra herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina hatramin’ny 250MW. Haparitaka manerana ny renivohi-paritany izany. Eo ihany koa ny fanatanterahana ny tetikasa fanodinana ny fako eo Andralanitra izay hamokatra herinaratra hatramin’ny 30MW ihany koa. Etsy ankilany anefa dia hitohy ihany koa ny fizarana ny « kits solaires » avy amin’ny Fitondram-panjakana.

Sehatry ny fotodrafitrasa

Ho ampiasaina amin’ny sehatry ny fanavaozana ny lalam-pirenena rehera ihany koa ny ampahany amin’ireo vola. Marihina moa fa antoky ny fivezivezen’ny olona sy ny entana ary ny fampandrosoana ara-toekarena ny lalana. Ao anatin’izany ny fanamboarana ny lalana RN13, ny lalambe migodana. Eo ihany koa ny tetikasa Flyover Anosizato – Kianja Maki Andohatapenaka.
Nanamarika moa ny Filoham-pirenena fa natao hitondrana fampandrosoana ho an’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy ity tetibolam-panjakana 2025 ity.

Lire la suite

Articles Similaires