• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Msk
Image
Vaovao

Richard Ratsimandrava : Mampiranty ny tantaram-piainany ny Mozea Trano Sary

15/02/2024 15:37 © Moov.Mg

49 taona katroka omaly no nahalavo ny kolonely Ratsimandrava Richard. Ho fahatsiarovana azy sy ho famelomana hatrany ny tantara, dia misy ny fampirantiana miompana amin’ny tantaram-piainany, eny amin’ny Mozea Trano Sary Ambohidahy.

Tahirin-kevitra isan-karazany

Haharitra 2 herinandro ity fampirantiana ny tantaram-piainan’ny kolonely Richard Ratsimandrava ity. Saika hita eny avokoa ireo tahirin-kevitra, sary sy horonan-tsary rehetra voatahiry momba an’ity Filoham-panjakana sady lehiben'ny governemanta, izay maty voatifitra teny Amboijatovo ambony ity, tamin’ny 11 febroary 1975. Fampahafantarana ny loharano nipoirany, ireo dingam-piainany, ny mombamomba ireo asa nosahaniny, ireo lahatsoratra an-gazety miresaka ny momba azy, tao anatin’ny gazety Hehy indrindra indrindra... Ireo no santionan’ireo aranty eny Ambohidahy. Ao koa ireo karazana sarimaizina sy sarimihetsika azo jerena sy boky azo vakiana, mba hahafantarana bebe kokoa ny kolonely Richard Ratsimandrava. Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny valan-dresaka miompana amin’ity olomangan’ny firenena ity.

Lova ho an’ny taranaka

Zava-dehibe ny hampitana ny fanilon’ny tantaram-pirenena tahaka izao, hoy izany ny Sekretera Jeneralin’ny ministeran’ny Kolontsaina sy ny Serasera, Rakotondrasoava Fetra, nandritra ny lahateniny tamin’ny fotoam-panokafana ity fampirantiana ity. Mamelombelona ny tantara kosa ny hetsika toy izao, hoy Ratsimandrava Danielle, zanaka vavy fahatelon-dRatsimandrava Richard, izay tonga nanotrona ny fotoam-panokafana. Zava-dehibe tokoa ny lova navelan’ny Colonel Richard Ratsimandrava, hoy izy, satria nifototra tamin’ny fitsinjovana ny fampandrosoana ny firenena, indrindra ao anatin’ny lalan-tsarotra. Tao anatin’ny kabary rehetra nataony dia nisy vahaolana nentiny foana, raha ny nambaran’ity zanany vavy ity. Misokatra ho an’ny rehetra ary azon’ny rehetra tsidihina mandritra ny roa herinandro, ity fampirantiana momba ny kolonely Ratsimandrava ity.

Lire la suite

Articles Similaires