• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Les_Covoyageurs
Image
Vaovao

Ambositra : Jiolahy anankiroa nikasa hanafika, indray matin’ny polisy

06/06/2023 10:11 © Midi Madagasikara

Ny alin’ny alahady teo, fokontany roa tao Ambositra no saika indray lasibatry ny asan-jiolahy mitam-piadiana.

Ny iray tao Ampany ary iray tao Ampivarotanomby. Tonga ara-potoana foana ny pôlisy, nandrava hatrany ny fikasan’ireo olon-dratsy. Nisy ny fifanandrinana ary nisy tamin’ireo jiolahy no maty. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina tany ho any no nahazo antso ny pôlisy fa misy fanafihana mitranga tao amin’ny tokatrano iray tao amin’ny fokontan’Ampany ao amin’ny kaominina ambonivohitra Ambositra. Vantany vao nahare ny antso vonjin’ireo lasibatra ny pôlisy dia nidina avy hatrany teny an-toerana. « Tratra ambodiomby teo ampanaovana ny asa ratsiny ity jiolahy ity ka rehefa natazana ny polisy dia saika hamaly tamin’ny fitaovam-piadiana teny aminy ka voatery namaly ny Polisy. Voatifitra ity jiolahy ka maty avy hatrany » hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Adim-pamantaranandro iray mahery kely taorian’io dia nisy indray ny antso azon’ny pôlisy fa misy olona mampiahiahy mitondra fitaovam-piadiana tao amin’ny tokontany tsy lavitra teo, tao Ampivarotanomby. Tamin’io fotoana io dia nidina avy hatrany tany an-toerana indray ireo pôlisy ary nametraka avy hatrany velam-pandrika hitiliana ireto olona mampiahiahy. Vao nigadona tao amin’ilay fokontany anefa ireo mpitandro filaminana dia raikitra avy hatrany ny tifitra. Voatery niaro tena ireto farany ary namaly ihany koa. « Lavo tamin’izany ny jiolahy iray, ary mbola tratra teny aminy ny basy nampiasainy, ireo namany roa kosa tafaporitraka » hoy hatrany ny vaovao azo. Niezaka nanao ny savahao ny manodidina ihany moa ireo mpitandro filaminana, saingy noho ny alina sy ny haizina dia tsy hita mihitsy ny nalehan’ireo roa lahy. Nentina avy hatrany nihazo ny tranom-patin’ny hôpitaly tao Ambositra moa ny vatana mangatsiakan’ireto olon-dratsy ireto, ho amin’ny fitsirihana ary miandry ny fakàn’ireo izay mety ho havany azy ireo. « Mbola eo am-pikaroana ny namany kosa ny Polisy any an-toerana. Ary eo am-panaovana fanadihadiana mahakasika izany ny Polisy »

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo