• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Uir Antsirabe
Image
Vaovao

Antsirabe : Olona 5 mpaka trondro eo amin'ny farihin'Andranomaimbo voasambotra

25/05/2023 14:50 © Moov.Mg

Fanomezana poizina ho an'ny vahoaka no andraisana ny fivarotrana sakafo maloto na simba eny an-tsena. Olona 5 no voasambotra teo am-pakana trondro niaraka tamin'ny fitaovana fampiasany teo amin'ny farihin'Andranomaimbo Antsirabe.

Nalaza tato ho ato ny fiparitahan'ny trondro maloto tao Antsirabe sy ny manodidina. Tsikaritra tokoa mantsy fa nisy trondro mora teny an-tsena, nefa toa voakarakara tsara ny endriny. Tsy hay ny manavaka izany amn'ny trondro madio noho ny fikarakarana ataon'ireo mpaka izany, mialoha ny hivarotany azy. Tsy vitsy nefa no nitaraina noho ny fofona sy ny tsiro hafahafa rehefa nahandro sy nanandrana izany. Nanatanteraka hetsika manokana ny Polisy avy amin'ny Commissariat Central Antsirabe mba hiadiana amin'izany fampihinana maloto ny vahoaka izany.
Vokany, voaporofo marina fa misy tokoa ireo olona manjono ao amin'ny farihin'Andranomaimbo. Mitohy ny fakana am-bavany ireo olona 5 tratra ambodiomby. Giazana kosa ireo fitaovana nampiasain'izy ireo. Marihana fa voararan'ny lalana ny fivarotana zavatra miteraka vokadratsy ho an'ny fahasalamana.
Entanina ny rehetra mba tsy hihinana sakafo mampiahiahy na dia novidiana lafo aza izany. Mila tandremana manokana ny fihinanana hena, trondro, charcuteries ary mayonnaise.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo