• Cours de change
  • 4741.75 AR
  • |
  • $4416.55 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Toamasina : Tratra ireo telo lahy namaky fiara mijanona amoron-dàlana

24/05/2023 17:27 © Moov.Mg

Nisehoana trangana tsy fandrim-pahalemana tamin’ny fomba hafa kely indray tao Toamasina. Fiara mijanona amoron-dàlana no novakian’ny mpangalatra telo lahy.

Lehilahy avy nanao ny asa ratsiny no tratehaky ny mpitandro ny filaminana. Fiara iray nipetraka amoron-dàlana teo akain’ny Hôtel Calypto ao Toamasina no nokasain’ny lehilahy hanaovana asa ratsy. Novakian’ity farany, noho izany ny fitaratra aorian’ilay fiara. Tamin’izany no nakany ny vola 1 000 000 ariary sy 100 euros. Nangalariny ihany ko any antontan-taratasy maro samihafa tao anatin’ilay fiara.
Rehefa azony ny nilainy dia nandositra tamin’ny tuc tuc ity lehilahy. Tsy ela taorian’izany dia nanomboka nanenjika ilay namaky ny fiara ny polisy ary nitady ilay tuc tuc nitondra azy nitsaoka. Rehefa nandeha ny fanenjehana dia tratra ihany ilay lehilahy. Tsy hita teny aminy intsony anefa ilay lelavola nangalarany. Natao ary ny famotorana ary nolazainy tamin’izany ireo olona nandray ireo vola. Niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ireo roalahy voatonona anarana izay fantatra fa nanafina ilay vola ny polisy.
Nandritra ny asa famotorana nataon’ny teo anivon’ny polisy ary dia fantatra fa fiaran’ny ben’ny tànana ao Sambava ity novakian’ilay lehilahy ity. Ankehitriny dia efa tafaverina any amin’ny tompony ilay vola euros nangalarin’ilay lehilahy tao anatin’ny fiarany. Mitohy hatrany, araka izany ny asa fampandriam-pahalemana ataon’ireo mpitandro ny filaminana isan-tsokajiny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo