• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Marc Ravalomanana
Image
Vaovao

Fifidianana 2023 : Manohy ny famoriam-bahoaka i Marc Ravalomanana

28/03/2023 09:07 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny fidinana eny ifotony ataon'ireo heverina fa ho kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023. Ho an'ny filoha nasionalin'ny antoko politika TIM, nahazo vahana ny fitsidihana ireo toerana ivelan'Antananarivo tato ho ato.

Azo atao tsara ny famoriam-bahoaka rehefa tsy miteny ny hoe "fidio aho". Izany no efa nifampiresahin'ireo antoko mpanohitra tamin'ny CENI tamin'ny fihaonana tao amin'ny Novotel Ivandry ny herinandro lasa teo. Tany demokratika tokoa mantsy i Madagasikara ka malalaka ny fanehoan-kevitra sy ny fitafana amin'ny vahoaka.
Raha nisedra olana ny mpanao politika sasany noho ny tsy fahafahana mamory vahoaka, tsy nisy intsony ny sakana ho an'Andriamatoa Marc Ravalomanana. Mitsidika ireo tsena moa no tena fanaony. Omaly, nihaona tamin'ny vahoaka tao Mahitsy sy Ankazobe ny tenany. Azo lazaina fa maro ireo olona voasarika tamin'ny fandalovany. Anisan'ny manamarika ny famoriam-bahoaka rehetra ataon'ny antoko TIM ny fanentanana ny vahoaka hisoratra anarana amin'ny lisi-pifidianana.
Andrasan'ny maro ny tohin'ny hetsika ataon'ny IRD. Efa roa herinandro mantsy izay no nangingina io antoko politika manohana sy manara-dia ny filoham-pirenena Andry Rajoelina io.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo