• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Naina Andriantsitohaina
Image
Vaovao

Zaridainan’Anosy : Nametrahana fitaovam-panatanjahantena ho an'ny besinimaro

25/03/2023 08:26 © Moov.Mg

Misitraka fitaovam-panatanjahantena manara-penitra manomboka izao ireo mpikotrana eto Antananarivo. Azon'ny rehetra ampiasaina ireo fitaovana mipetraka ao amin'ny faritry ny zaridainan'Anosy.

Ny firenena sinoa no nanolotra ireto fitaovana ilaina amin'ny fanatanjahan-tena ireto. Nataon'izy ireo izany noho ny fanamarihana ny aha-50 taona niorenan’ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin'ny Sinoa sy ny Malagasy.
Toerana telo samihafa eto an-drenivohitra no ahitana ireto fitaovam-panatanjahantena ireto, dia ny zaridaina Anosy izay manolotra karazana fitaovana 14, ny kianja Alarobia izay ahitana fitaovana 11 ary ny gymnase any Besarety misy fitaovana 6 karazana.
Mifanaraka indrindra amin’ny Velirano faha-5 izay mahakasika ny fanomezana toerana malalaka ho an’ny tanora sy ny vahoaka ahafahan’izy ireo manao fanatanjahan-tena izao fanomezana izao. Hisy ny mpampianatra sy ny mpanoro hevitra manokana hanampy amin'ny fampiasana ireo fitaovana eny an-toerana.
Hisokatra ho an’ny rehetra ny zaridainan’Anosy isaky ny faran’ny herinandro.
Ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia manentana hatrany ny mponina mba hikajy sy hikolokolo ny fitaovana sy ny fotodrafitrasa mba hampaharitra azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo