• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Primature - Lapan'I_Mahazoarivo
Image
Vaovao

Ambatondrazaka - Tsy fandriampahalemana : Nidina ifotony ny Praiminisitra

17/03/2023 16:35 © Moov.Mg

Maro ireo trangana tsy fandriampahalemana niseho tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro tato ato. Tafiditra ao anatin’izany ny tànanan’Ambatondrazaka.

Vao tsy ela akory fa ny volana febroary lasa teo no nisehoana trangana fakana an-keriny tao Ambatondazaka sy tao Amparafaravola. Manoloana izany dia nanapa-kevitra ny Praiministra fa hidina ifotony hifampidinika amin’ireo rantsa-maigaika rehetra any an-toerana mba hiadiana amin’izao tsy fandriampahalemana izao. Nandritra izany fihaonana izany dia noresahana ihany koa ny mahakasika ny fandriampahalemana eto Analamanga sy ny ao Betsiboka.

Fidinana ifotony

Nanomboka ny 02 marsa teo dia tsy azo atao intsony ny mivoaka eo anelanelan’ny amin’ny 09 ora alina sy amin’ny 03 ora maraina. Noraisin’ny prefet an’Ambatondrazaka izany fepetra izany mba hiarovana ny vahoaka amin’ny trangana fakana an-keriny, toa ny nahazo ireo fiakaviana iray (olona telo) tao Morarano Chrome. Na dia efa tafaverina soa aman-tsara teo anivon’ny fianakaviany ary ireo olona telo ireo dia mbola tsapa hatrany ny tsy fandriampahalemana any an-toerana.
Manoloana izany indrindra dia nanatanteraka fidinana ifotony tao Ambatondrazaka, anio, ireo tompon’andraikitra rehetra misahana ny fandriampahalemana na ny OMC nasionaly. Notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian ny fihaonana, ary koa nahitana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Josoa Rakotoarijaona, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirena, Serge Gellé Hiatrika, ary ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany eo anivon’ny Etamazaoron’ireo Tafika.

Fitadiavam-bahaolana

Nandritra ny fihaonana teo anivon’ireo rantsa-mangaika eo anivon’ny fitondrana sy ny tafika dia napetraka ny tanjona iraisana, izay tsy inona akory fa ny mba hahitana vahaolana maharitra manoloana ny olan’ny tsy fandriampahalemana any Ambatondrazaka. Tsy ny momba ny faritra Alaotra Mangoro irery ihany anefa no noresahana tao anatin’izany dinika izany fa tafiditra tao anatiny ihany koa ny mahakasika an’Analamanga sy Betsiboka.
Ho jerena amin’ny antispirihiny araka izany ny fototry ny olana ary amin’ny alàlan’izany no ahafahana mametraka paikady mba hahafahana mamerina indray ny filaminana sy ny fandriampahalemana mahararitra eo anivon’ireo faritra telo ireo. Tao anatin’izany dia nanambara ny Praiminisitra fa olona vonona sy sahy no ilaina hanarina ny zava-misy ho tombotsoan’ny vahoaka Malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo