• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Wwf
Image
Vaovao

Raharaha sambo rendrika : Vehivavy roa no hiaingan’ny fanadihadiana

17/03/2023 15:23 © Midi Madagasikara

Isan’ireo nitsoaka izy roa vavy. Ny iray 24 taona ary vao 15 taona kosa ny faharoa. Efa teny ambony taxi-brousse teny amin’ny RN6 mifanandrify amin’Andilambe izy ireo no tsikaritry ny zandary nandritra ny fanamarinana.

Olona reraka ary miendakendaka hoditra. Nazava teo fa isan’ireo mpandeha tamin’ilay sambo rendrika tao Ankazomborona izy mirahavavy. Tsy nosamborina fa nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana mba hampiverina tsara ny fahasalamany. Nomena toky koa ireo vehivavy fa tsy hisy fanenjehana akory, satria izy ireo dia isan’ny niharan’ny fanondranana olona. Avy amin’izay mety ho valin-tenin’izy ireo kosa anefa no handrandraina mba hahafahana manazava bebe kokoa momba ilay tambajotra mpitatitra. Hatreto aloha dia noraisina ho fanondranana olona ny vesatra anenjehana ireo atidoha nikotrika rehetra voakasika tamin’ny fanomanana sy ny fitaterana ireo olona ho any Mayotte. Mbola karohina izy ireo. Ireo olona nandeha ny vedety haingam-pandeha tokoa dia tsy niala ny taniny raha tsy misy ny fampanantenana nomena azy. Mpitsoa-ponenana noho ny fahantrana ve izy ireo sa kosa lasibatry ny fanondranana olona? Hihodina manodidina izany ny fanadihadiana, ary mety ho tonga hatrany Mayotte mba hamongorana ity fitaterana teratany malagasy an-tsokosoko ity. Raha araka ny fanadihadiana hita nataon’ny haino aman-jery vahiny mantsy dia efa feno olona tsy ara-dalàna any, ary isan’izany ny teratany malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo