• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Antsirabe : Mpanao sinto-mahery teo akaikin’ny polisy voasambotra

17/03/2023 07:55 © Midi Madagasikara

Efa ela no tsikaritra fa misy ireny mpanao sinto mahery ireny Antsirabe sy ny manodidina, toerana ahenoana sy handrenesana fitarainana matetika eo antsinanantsena Sabotsy sy Atsimotsenaary tonga ao Antsenakely.

Tsy andro tsy alina fa dia manaony ny hataony ireo mpanao sinto-mahery ireo. Na ambony posy, na anaty fiara, na anaty bus rehefa variana milalao finday ny olona dia saika lasibatra avokoa amin’ny sinto-mahery, eny hatramin’ny poketra fitondran’ny vehivavy dia lasibatra ihany koa.

Ny an’ity ranamana iray ity kosa dia tsy tahotra tsy henatra intsony fa teny akaikin’ny biraon’ny polisy mihitsy izy no nanao ny asa ratsiny. Teo akain’ny vavahadin’ny kaominina Antsirabe, manakaiky ny paositry ny polisy izy no sahy nanao sinto-mehery tamina mpanao ireny taxi-phone ireny. Nilaza mody hiantso ilay tovolahy ka rehefa nomeza azy ny finday dia nirifatra nandositra izy. Mihidy anaty varavaram-by rahateo ireny olona miasa amina kioska ireny ka mandra pivokany tao dia efa lasa lavitra ny jiolahy. Hany heriny dia niantso vonjy izy, maro olona rahateo amin’iny faritra iny ka raikitra ny fifanenjehana. Tsy lasa alavitra akory ity mpanao sinto-mahery ity dia voasambotry ny olona sy ny mpitandro filaminana ary notanana avy hatrany tao amin’ny polisy, soa aloha fa teo ny mpitandro filamanana ka tsy nisy ny fitsaram-bahoaka.

Efa leo ny tsy fandriam-pahalemana rahateo ny mponina ka saika mitondra faisana avokoa na miafara amin’ny fahafatesana mihitsy izay mpangalatra voasambotra raha misy ny fahataran’ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana.

Andry N.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo