• Cours de change
  • 4688.34 AR
  • |
  • $4422.6 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Fitokonana Ankatso II : Nidina teny antoerana ny Jirama

02/02/2023 17:26 © Moov.Mg

Manoloana ny fitokonana izay notanterahan’ny mpianatry ny Anjerimanontolo monina ao Ankatso II anio dia nidina teny antoerana ny Jirama.

Raha tsiahivina dia efa amam-bolana maro no tsy nisitraka rano ireo mpianatra monina eny Ankatso I sy II. Ho fanairana ny tompon’andraikitra ary dia nanatanteraka fitokonana izy ireo io maraina io.
Nisy araka izany ny fihaonana teo amin’ireo solotenan’ny mpianatra sy ny Fitalevana misahana ny sosialin’ny mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo na ny CROUA, ny Jirama ary ny fitondram-panjakana izay nisoloan’ny ministeran’ny Rano, Fidiovana sy Fanadiovana tena. Noresahana nandritra izany fihaonana izany ary ny olana sedrain’ireto mpianatra. Nisy ihany koa ny fandrosoana soso-kevitra avy amin’ny Jirama izay mifototra amin’ny fametrahana vahaolana maharitra.
Voaresaka tamin’izany aza fa ilaina ny firosoana amin’ny fanavaozana ny branchements rano amin’ireo blocs vitsivitsy izay ianjadian’ity olana fahatapahan-drano ity, ka ny CROUA no hanao ny fangatahana. Nanambara ihany koa ny Jirama fa tsy maintsy hotanterahina ny fitsirihana ireo fantsona tranainy sy ireo tsy ara-dalàna, izay tsy inona fa fototry ny olana izay miseho ankehitriny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo