• Cours de change
  • 4715.38 AR
  • |
  • $4421.95 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Ministeran'ny Asa Vaventy : Tsy azo anahazana vary sy anasana fiara eny amin'ny arabe

02/02/2023 14:33 © Moov.Mg

Nidina teny Ambohitrimanjaka ny ekipan'ny ministeran'ny asa vaventy anio. Omaly mantsy dia nahitana fitarainana tamin'ny tambazotran-tserasera mikasika ireo vary eny amin'ny arabe.

Nanatanteraka fidinana ifotony teny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’ny Art Malagasy sy Andranotapahana ireo tompon’andraikitra eo anivony Ministeran’ny Asa Vaventy niaraka tamin’ireo solontena avy amin'ireo Kaominina voakasik'izany. Fampiharana ny ny hitsivolana faha-60-166 tamin’ny 03 oktobra 1960 mahakasika ny fanajana ny fetran’ny sisin-dalana amin’ny lalam-pirenena izany, ary entina hiarovana ireo fotodrafitrasa ary hisorohana ny lozam-pifamoivoizana.

Nanentana sy nampahafantatra ireo olona monina manodidina ny lalana fa tsy azo atao ny:

Manasa fiara eny amin'ireo fetran’ny sisin-dalan'ny lalam-pirenena.

Manaha vary eny ambony sy amin’ny sisin'ireo lalam-pirenena

Fijanonan'ireo fiara vaventy tsy ara-dalàna amin’ny sisin-dalana.

Nisy avy hatrany ny fepetra noraisina ho an'ireo izay tsy nanara-dalàna ka nasaina nanala ireo vary niely teny ambonin'ny lalana sy ireo fiara izay nosasaina sy nijanona teny amin’ny sisin-dalana.

Napetraka teo anivon’ireo Kaominina ny taratasy fampiharana io hitsivolana faha-60-166 tamin’ny 03 oktobra 1960 io, entin'ny zareo manohy ny fanentanana sy fampahafantarana ireo vahoaka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo