• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Infocom Seg.Jpg
Image
Vaovao

Aéroport Ivato : Mpibata entana roa naiditra am-ponja vonjimaika

01/03/2023 14:57 © Moov.Mg

Lehilahy roa mpitaona entana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no naiditra am-ponja, omaly 31 janoary noho ny raharaha fangalarana entan’ny mpandeha.

Mpandeha tamin’ny zotra iraisam-pirenenana no nametraka fitoriana teo anivon’ny zandarimaria miasa eny amin’ny seranam-piaramanadina. Ireo entana ireo moa dia napetraka tao amin’ny « bagage en soute » ary tsy hita popoaka ny sasany tamin’izany, rehefa tonga teo amin’ny fotoana tokony nakana azy. Hita niaraka tamin’ireo entana sasany kosa ny badge sy ny taratasy fahazoan-dàlana hamily an’olona izay tsy fantatr’ilay tompon'entana very.

Rehefa natao ny fanadihadiana sy ny fikarohana rehetra dia tratra ireto roa lahy mpikirakira sy mpibata entana eny anivon’ny seranam-piraramanidina ireto, izay ahiana ho tompon’antoka tamin’izany trangana fahaverezan’entana izany.

Natolotra ny fitsarana ny 31 janoary moa ireto farany ary avy hatrany dia naiditra am-ponja vonjimaika, raha ny tatitry ny Zandarimaria. Manentana ny tsirairay amin’ny fanomezana angom-baovao araka izany ny zandarimaria mba ahafahafana misambotra ireo olon-dratsy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo