• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Behitsy Ambohimangakely : Mpandraharaha voatafika, lasa ny 50 tapitrisa ariary

31/01/2023 08:17 © Midi Madagasikara

Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo, nitrangana fanafihana mitam-piadiana tetsy By pass.

Tokatrano an’ny mpandraharaha iray tetsy Behitsy, Ambohimangakely no lasibatry ny andian-jiolahy mitam-piadiana, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana.

Naratra vokatr’izany fanafihana izany ny tompon-trano, ary lasa ny vola mitentina eo amin’ny 50 tapitrisa ariary, raha ny voalaza hatrany. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina teo no nitranga ny fanafihana, raha ny loharanom-baovao azo. Voalaza fa niditra an-keriny amin’ny varavarana ireo olon-dratsy izay niisa teo amin’ny enin-dahy teo ho eo. Nitondra basy ireo farany tamin’izany ary avy hatrany dia nanao amboletra niditra tao an-trano. Marihana fa manana ireny karazana mpiambina matihanina na « service de sécurité » ireny ity mpandraharaha ity saingy tsy nahasakana ireo olon-dratsy izany. Tamin’io fotoana io ihany koa, voalaza fa tsy nandeha ny « camera de surveillance ». Voafatotra tongotra aman-tanana izany mpiambina izany ary nodarohin’izy ireo sy noratrainy ny tompon-trano. Rehefa voafehin’izy ireo ny tao an-trano dia io norobainy io ny vola.

Ankevitry ny efa fantampatatr’ireto olon-dratsy araka izany ny fisian’ny volabe tao amin’io trano io. Efa tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy ary nanokatra ny fanadihadiana rehetra mahakasika ity tranga ity moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana. Raha ny angom-baovao azo mantsy dia tsy vao io no niharan’ny fanafihana tahak’izao ity mpandraharaha ity.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo