• Cours de change
  • 4632.19 AR
  • |
  • $4362.2 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fandresen’ny Barea : Faly loatra dia nijanona ny fony

30/01/2023 08:31 © Midi Madagasikara

Lehilahy iray, mbola tanora vao erotrerony, no namoy ny ainy tao anatin’ny hafaliana. Izany dia nandritra ny horakora-pifaliana sy nivoahan’ny maro ny trano rehefa nandresy ny ekipam-pirenena Barea, avy nanamontsana an’i Mozambika nandritra ny lalao afrikana CHAN.

Tsy nisy nanam-po izay hiseho na ny fianakaviany azy. Nifaly to ny olon-drehetra izy ary nikiakiaka noho ny hafaliana. Tao anatin’izay anefa no nidaraboka tampoka ary dia tsy nihetsika intsony. Natao ihany ny famonjena azy, satria noeritreretina ho safotra. Tsy niverina intsony anefa ny fitempon’ny fon’ilay tovolahy. Ontsa ny fianakaviana izay semban-drahona tampoka tao anaty fifaliana kanefa. Olona roa izay no sendra an’izany. Mbola tsaroan’ny maro ihany koa ny nahafatesan’ny solombavambahoaka iray, maty tampoka nandritra ny lalao CAN tamin’ny 2019. Teo amin’ny fifanandrinana eo amin’ny ampahefa-dàlana, raha voalohany i Madagasikara no tafakatra tamin’izany, no nijanona tampoka koa ny fony raha resy ny ekipam-pirenena. Ity indray dia tao anatin’ny alahelo izany no nisy tampoka ny fihetseham-po. Na izany aza, ireo tranga roa ireo dia manaporofo fa tena manetsika ny hambompom-pirenena ny lalao kitra. Teto an-drenivohitra dia nivoaka ho azy teny amin’ny arabe ny olona ary nitsoka kiririoka sy nanapoaka sarom-bilany mba hanehoana ny hafaliany.

Tsy nisy nitarika anefa ary tsy nisy fikarakaràna hetsika manokana fa dia nandeha amin’izao fotsiny ilay fanehoana ny hambompom-pirenena. Mbola afaka manaporofo koa ny zava-nisy fa mampihavana ny fanatanjahan-tena rehefa mandeha amin’ny tokony ho izy sy misy vokatra. Na izany aza anefa, teny amin’ny tambajotra sosialy rehetra teny, dia niangavy ny olona ny mba tsy hidiran’ny mpanao politika indray ka hijapy ny fandresen’ny ekipam-pirenena. Tokony ho efa ho ampy an’ireo mpilalao rahateo ny tambin-karama azon’izy ireo (2 tapitrisa dôlara raha mibata ny amboara ary latsaka kelin’izany raha tafakatra amin’ny dingana ambonimbony) isaky ny antanan-tohatry ny fandreseny, raha tsy misy miketrika indray sanatria.

Ny fahaizan’ny mpanazatra sy ny hatsembohan’ny mpilalao no nahazoana ny vokatra fa tsy ny politika, hoy ny olona teny amin’ny tambajotran-tserasera. Tokony hohajaina araka izany, ny mba tsy hilalaovana sy hanampiana loko indray ny ekipam-pirenena sy ireo tanora ao anatiny. Sarotiny ary mitondra am-po tanteraka ny kitra ny olom-pirenena.

D.R

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo